Nitotongana ny tsena : tafidina 22.000 dolara/t ny vidin’ny nikela

Miantraika any amin’ny vidin’ny vy sy ny manodidina azy ny krizy ara-toekarena maneran-tany, ka isan’izany ny nikela. Miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny famokarana maneran-tany, taorian’ny krizy Covid- 19 no anisan’ny antony.

Araka ny tsena iraisam-pirenen’ny metaly any Londres Angeletera (LME), tafidina 22.000 dolara ny vidin’ny nikela iray taonina ny faran’ny volana marsa 2023 teo. Maherin’ny 30.000 dolara/t anefa izany ny janoary 2023 sy ny taona 2022. Izany hoe, nihena 25% ny vidiny ankehitriny, raha oharina ny fiandohan’ity taona ity.
Araka ny fanazavana azo avy amin’ny mpisehatra iray, anisan’ny nahatonga io fitotongan’ny vidiny io, ny fiverenan’i Sina, namokatra in­dray taorian’ny krizy Covid-19. Satria nandray fepetra tsy nihodina mihitsy ny fihariana tany aminy. Niverina tsikelikely nitombo ny tinady, eo amin’ny tsena iraisam-pire­nena.
Izany hoe, nihazakazaka namokatra (tolotra) daholo ny orinasa misehatra amin’ny nikela, satria niakatra ny tinady, ka nihena ho azy ny vidiny eo amin’ny lalan’ny tsena.
Misy fiantraikany amin’ny tsenan’ny metaly koa ny ady any Ukraine. Satria, maro ny firenena matahotra, ka niha­zakazaka nanao tahiry daholo ny firenena mpamokatra sy mpampiasa nikela, ka nahatonga ny vidiny niakatra eo amin’ny tsena. Kanjo, hita fa maharitra ity ady ity, ka nihena ny fanaovana tahiry, koa, nidina toy izany koa ny vidiny eo amin’ny tsena.
Krizy ara-bola any Etazonia sy Eoropa
Araka ny loharanom-baovao ihany, misy koa ny krizy ara-bola any Etazonia, toy ny fisian’ny banky rompitra, ary niitatra any Eoropa. Misy fiantraikany eo amin’ny tsena ara-bola (bourse) izany, hatrany amin’ny tsenam-bolan’ny metaly ihany koa. Satria, mamadika ny volany any amin’ny zavatra hafa, indrindra ny volamena, ny mpandraharaha raha vao misy ny krizy ara-bola sy ny banky, fa tsy mitazona lelavola. Ireo mitambatra no mahatonga ny vidin’ny nikela hitotongana tamin’ity taona 2023 ity.
Ny firenena aziatika, toa an’i Sina, no tena mpanjifa sy mampiasa ny akora nikela. Misy karazany roa ny nikela. Ampiasaina amin’ny fanamboarana vokatra vita amin’ny «acier inoxydable» ny nikela mitapoka akora hafa. Nisy koa ny tinady vaovao, ka isan’izany ny famokarana fiarakodia mandeha amin’ny herinaratra, izay ampiasana ny akora nikela tsy mifangaro ao anatin’ny bateria. Mano­didina ny 60%-n’ny nikela no ampiasaina amin’ny fanamboarana «acier inoxydable», ary manodidina ny 10% ny ampiasaina amin’ny fanamboarana fiara elektrika, izay efa mitombo tsikelikely ny fanjifana azy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: