Otrikafo momba ny fanehoan-kevitra: “Mila mahasarotiny ny fiandrianampirenena”

“Marina fa tsy ekena ireny karazana teny mita navoa­kan’ny minisiteran’ny Atitany ireny, izay lazaina hoe manohintohina ny fomba na ny fahalalahana maneho hevitra. Nefa tsy ny sehatra iraisam-pirenena no heverina hoe tokony hanome lesona antsika amin’ny toy ireny.” Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera je­neralin’ny Otrikafo, Rabeva­hiny Elia, manoloana ny nambaran’ny Vondrona eoropeanina sy ireo masoivoho vahiny maromaro momba ny fepetra navoakan’ny minisitry ny Atitany ny amin’ny tsy fahazoana manao ny famoriam-bahoaka ankalamanjana.
“Tsy tsara toerana ny vondrona iraisam-pirenena ankapobeny hanome lesona antsika amin’ny hoe fikitikitihana na tsy fahalalahana ny fomba fanehoan-kevitra. Tsy miteny aho hoe mety ny nataon’ny minisiteran’ny Atitany. Tsy izay fa hoe: tsy sarotiny amin’ ny fiandrianampirenena ve isika?” hoy izy. Satria ve manohitra fitondrana na tsy eo amin’ny fitondrana dia mipiaka helika amin’ny toe-javatra toy ireny ny mpanao politika sasany?

Mila fampahatsiahivana ny fanarahan-dalàna
“Miandry izahay hoe inona no ataon’ny minisite­ran’ny Raharaham-bahiny?”, hoy ihany izy. Raha ny tena izy, tokony hisy fampahatsiahivana amin’ny fanarahan-dalàna hatao amin’ireo ambasadaoro miditra sy mitsabaka amin’ny raharaham-pirenena malagasy. Raha tsy atao izany, hataon’ny avy any ivelany fanao ny miditra sy mitsabaka amin’ny raharahan-tokantranon’ny samy Malagasy.
“Ho an’ny mpitondra fanjakana, tsy efa fotoana ve izao hamelana malalaka ny fanehoan-kevitra na amin’ny lafiny inona na inona?”, hoy izy. Anjaran’ny fanjakana ny mifehy an’izay amin’ny ala­lan’ny fampiasana ireo mpitandro filaminana. Azo fehezina amin’ny fiarovana azy ny fomba fanehoan-kevitra. Atao mazava tsara ny fitsipika sy ny lalàna tsy maintsy arahina amin’izany. Mitovy eo ana­trehan’ny lalàna ny rehetra amin’izay, na mpitondra na mpanohitra. Mba tsy hisian’ny trangan-javatra toy izao miverimberina eto amin’ny firenena.

R. Nd.

Partager sur: