Slam poèsie : hanomboka ny fifaninanana “Tour’nao”

Tontosaina rahampitso, eny amin’ny Cercle-Germa­no Malagasy, CGM Anala­kely, ny fifaninanana “Tour’ nao”, fihodinana voalohany. Fifaninanana Slam poèsie, karakarain’ny Ma­da­gaslam Section Tana (MST). Misy ny fepetra ma­nokana mandritra ny fifaninanana Slam poèsie.
Efa manomboka ny fifaninanana fanomanana ny Slam nasionaly. Anisan’iza­ny ity karakarain’ny Mada­gaslam Section Tana ity. Fihodinana voalohany ity hotanterahina eny amin’ny CGM Analakely ity. Indroa miakatra an-tsehatra ny mpifaninana amin’ity fifaninanana ity. Voa­fetra ho 3 minitra sy 10 segondra ny fiakarana voalohany, raha 2 minitra kosa ny faharoa. Tsy ma­hazo mampiasa na inona na inona ny mpandray anjara, na taratasy, na kahie na finday. Mihena 0,5 isaky ny fandikan-dalàna ny isan’izay manao izany.

Lin
(Mpianatra asa)

Partager sur: