Taom-panjonoana “langouste”: tsy misy mividy ny vokatra

Nisokatra nanomboka ny 1 avrily teo ny taom-panjonoana oratsimba (langouste), ao Ampasinakoho, distrikan’i Vangaindrano. Ambany anefa ny vidiny ary tsy misy mividy ny vokatra. 8.000Ar ny kilaon’ity hazandrano ity raha toa ka 25.000Ar ny vidiny novinavinain’ny mpanjono azy amin’izao taom-pisokafany izao. “Amin’ny taonina isan-kerinandro ny vokatra miakatra saingy tsy manana efitrano fitehirizam-bokatra izahay mpanjono eto Ampasinako­ho”, hoy ny fanazavan’ny mpanjono iray any an-toerana. Notohizany fa izay no mahatonga ny mpanam-bola mividy ny vokatra amin’izay hitiavany azy. Manampy trotraka izany koa ny fahasahiranan’ny mponina ka voatery mivarotra mora ny mpanjono. Manodidina ny 300 ny isan’ny mpanjono oratsimba. An­ke­hitriny, miraviravy tanana izy ireo amin’izao taom-pisokafan’ny fanjonoana oratsimba izao noho ny vidiny ratsy.

Henintsoa Hani

Partager sur: