USAID Access : mitentina 36 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola fanampiny

Nampahafantarina, omaly, tetsy Ankorondrano fa hitohy hatramin’ny volana marsa 2025 ny fandaharanasa USAID Access, izay tanterahin’ny MSH, momba ny fahasalamana. Nahazo famatsiam-bola fanampiny, mitentina 36 tapitrisa dolara, ny tetikasa hahafahana manohy ny fanatsarana ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara. Tafakatra 126 tapitrisa dolara, araka izany, ny vola ho an’ny tohana ara-pahasalamana avy amin’ny USAID.
“Hoentina hanatrarana ny tanjona, izay somary nitarazoka noho ny vesatra nentin’ny valanaretina Covid-19, nandritra ny roa taona ity vola fanampiny ity”, hoy ny dokotera Raharison Serge, talen’ny fandaharanasa USAID Access.
Hiitatra mandritra ny 18 volana indray, araka izany, ny asa tanterahin’ny Access amin’ ny sehatry ny fahasalamana. Raha natao ny tombana tao anatin’ny efa-taona, mponina maherin’ny 17 tapitrisa, ao anatin’ny distrika 78 iasana, no nisitraka tombontsoa mivantana amin’ny asa eny ifotony.
9 hetsy mahery ny olona tratran’ny tazomoka voatsabo. 80% n’ny vehivavy bevohoka manao fisafoana eny amin’ny CSB kosa dia nizarana pilofera hiarovana ny vehivavy amin’ny fahaverezan-dra mandritra ny fiterahana.
Misy fitaovam-pitsaboana mitenitan 34 miliara ariary nozaraina tany amin’ny faritra 14 iasana, hanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana. Ny 88%- n’ny zaza te­raka ka manana olana no no­velomina tamin’ny tekinika moderina tany amin’ny toerana iasan’ny Access.
2 tapitrisa no mampiasa ny fandrindram-piterahana vaovao. Miohatra ny 3 tapitrisa ireo olona voakasiky ny fanentanana momba ny fahadiovana sy ny fidiovana. 230 ny toeram-pamatsiandrano sy toeram-pidiovana naorina sy nohavaozina.
Nandray anjara lehibe tamin’ ny ady amin’ny covid-19 ihany koa ny Access. 7 hetsy sy 1 ta­pitrisa no nisitraka vaksiny tao anatin’ny faritra niasany. Ny 5 hetsy sy 1 tapitrisa tamin’ireo dia nahazo ny fatram-baksiny rehetra nilaina sy sahaza.

Tatiana A

Partager sur: