Hetsika efa fanao isan-taona, mandritra ny vaninandro fankalazana ny Paka, sahala amin’izao ny “Festival Dola Beach”. Niezaka nitondra fanatsarana ny mpikarakara tamin’ity andiany ity. Izany no natao ho fanehoana ny maha izy an’i Vatomandry.
Tontosaina eny amin’ny torapasik’i Vatomandry, manomboka anio hatramin’ny 10 avrily 2023, ny “Festival Dola Beach”, andiany faha-11. Ny fikambanana Dola Beach no mikarakara ny hetsika miaraka amin’ny mpiara-miasa sy mpanohana maro samihafa. Hetsika ara-kolontsaina sy ara-panatanjahantena no handravaka ity hetsika lehibe ity. Hampiavaka ny amin’ity taona ity ny fandehanan’ny hetsika rehetra eny amin’ny torapasika, raha tanaty efitrano ny hetsika sasany rehefa hariva ny andro tamin’ny andiany teo aloha. Tanjona ao anatin’izao hetsika izao ny fampiroboroboana ny lafiny kolontsaina sy fanatanjahantena ary fizahantany.
Telo andro tsy miato ny “Festival Dola Beach” andiany faha-11. Hetsika ara-kolontsaina sy ara-panatanjahantena maro samihafa no hifandimby handravaka azy. Hanafana izany ireo mpanakanto manana ny maha izy azy, sahala amin’ny tarika Wawa, Dodol. Hanampy azy ireo amin’izany ihany koa ireo mpanakanto avy amin’iny faritra iny. Anisan’izany ny tarika Kaiamba tena izy, ny tarika Nantenaina sy ny mpanakanto zanaky ny faritra. Fanampin’izany, hisy ny filatroana, hifidianana ny “Miss et Mister”, izay hanasana ireo tanora.
Ankoatra ny fampisehoana sy ny filatroana. Hisy ihany koa ny hetsika hampahafantarana ny kolontsaina sy fanatanjahantena mampiavaka ny faritra. Hampahafantarina mandritra izany ny “Vakodrazana Betsimisaraka” sy ny “Tologna”. Kilalao sy fifaninanana ara-panatanjahantena maro no hameno ny “Festival Dola Beach”. Anisan’izany ny fifaninanana nasionaly eo amin’ny taranja baolina kitra lalaovina an-torapasika. “Carnaval” mamakivaky ny tanana, mifarana eny amin’ny torapasika no hanombohana ny hetsika.
Ambohipihaonan’ny mpialavoly mandritra ny vaninandro fankalazana ny Paka ny festival Dola Beach. “Efa vonona ny mpikarakara sy ny tomponandraikitra eto an-toerana amin’ny fanatanterahana ny “Festival Dola Beach”. Tanjona ny hanehoana ny mampiavaka sy hanandratana ny maha izy ny faritra Atsinanana, indrindra i Vatomandry”, hoy i Alexandre, filohan’ny fikambanana Dola Beach.
Lin(Mpianatra asa)