VHT – Fikaonandoha : “Ilaina ny fanarenana ifotony”

“Fihaonana hanaovana fanorenana ifotony ny firenena malagasy tokony hisy, fa tsy fihaonana endrika ivelany”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny antoko Vonona hijoro ho an’ny tanindrazana (VHT), Razanakoto Norbert. Raha tsy misy ny fanorenana ifotony, tena miverina andoharano tanteraka: antsikafona avokoa aloha ny zava-drehetra, fa misy tena mikorontana.
Mba hahazoana ny hery mpanatanteraka, tokony ma­naiky an’izay rehetra izay ny fanjakana. Raha mitarika ny FFKM, miditra ao anatin’izay ny fanjakana ho anisan’ny mpandray anjara mba hahazoana mandamina. Eken’ny rehetra izay fehinkevitra amin’ izany. “Andao hihaona sy hivory ary hifampiresaka. Tsy toy ny nataon’ny Ceni ireny no tokony hifampiresahana, fa ny mpisehatra politika rehetra no tokony hiresaka avokoa”, hoy izy. Hatao ny fikaonandoha amin’izany. Inona no hatahorana amin’ny fikaonandoha? Tsy misy olana izay manao. Manao, ohatra, ny FFKM.
Mila mahaleo tena ny rafitra mikarakara fifidianana
Raha tena hanana rafitra mahaleo tena, tsy izay olona tendren’ny filohan’ny Repo­blika no hatao filohan’izany rafitra izany. Tsy amin’ny filohan’ny Repoblika amin’izao ihany izany, fa amin’izay filohan’ny Repoblika rehetra tonga eo: tsy ny olona no hatao filohana andrimpanjakana na rafi-panjakana iray. Amin’izay, mahaleo tena tsara. Hatao izay hahatonga ny fahavaleovantenan’ny Ceni. Tokony hodiovina aloha ny tokontany, ary madio tsara ny fomba hidirana any amin’ny fifidianana. Amin’izay, eken’ny rehetra…
Ho avy ny fifidianana, ahoana no mbola tsy hita hatramin’izao ny momba ny vola enti-manana izany? Na ny fanjakana ihany aza, efa afa-manao tsipaipaika ana­tin’ny kitapom-bolam-panjakana hiatrehana ny fifidianana afaka dimy taona.

R. Nd.

Partager sur: