Naiditra am-ponja avy hatrany taorian’ny fanolorana azy ny fampanoavana, afakomaly, Rasta jiolahy malaza ratsy amin’ny fanendahana eny 67 ha Avaratra. Tratran’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria, boriborintany fahafito (CSP7) izy, ny herinandro teo. Maro ny trangana tsy fandriampahalemana miseho lany amin’iny faritr’i 67 ha sy ny manodidina iny. Nandray fepetra manokana ny polisy satria maro ireo olona mitaraina. Nisy ny paikady napetraky ny polisy mba hahafahana misambotra ireo jiolahy. Nahitam-bokany izany satria jiolahy telo tratra teo am-pisokirana ny poketran’olona iray nandalo teny 67 ha akaikin’ny garazy. Tsy niandry ela ny polisy ka raikitra teo ny fifanenjehana. tsy lasa lavitra anefa, tratra Rasta raha tafaporitsaka kosa ireo namany roa lahy.
J.C