Hanatanteraka ny kongresy nasionaly, voalohany, ny antoko Hiaraka isika. Homarihina ao anatin’izany koa ny fahadimy taona nijoroan’ity an-toko, naorin’ny Jly Camille Vital ity. Hanomboka ny 12 hatramin’ny 15 avrily izao any Toliara izany. Anisan’ny hisongadina ny handinihan’izy ireo ny fiainana anatin’ny antoko. Eo koa anefa ny hanehoan’ny Hiaraka isika ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena. Efa nanambara ny mpanorina, ny ambasadaoro, Camille Vital, volana vitsy lasa fa miaina anaty fahasahiranana ny vahoaka, noho ireo krizy samihafa.
“Na izany aza, nahavita be izao fitondrana izao ka tokony hotohizana izany”, hoy hatrany izy. Nambarany koa tamin’izany fa tsy vahaolana ny fihaonambem-pirenena ketrehin’ny sasany. “Ataon’ny sasany fitadiavana seza fotsiny ihany izany ka tsy azo ekena”, hoy hatrany izy.
Tsiahivina fa hanatanteraka fambolen-kazo sy hanao asa sosialy ho fanampiana ireo marefo sy ireo traboina noho ny rivodoza farany teo koa ny antoko Hiaraka isika. Mazava ny teny faneva amin’ izany : “Madagasikara sambatra sy Malagasy miadam-pinaritra no tanjona”.
Synèse R.