Antsirabe II : dahalo mpangalatra omby matin’ny fokonolona

Narian’ny havany hatramin’ny fatiny ! Dahalo raindahiny amin’ny halatra omby no matin’ny fitsaram-bahoaka tao Antsirabe II, afakomaly.

Nizara roa ny lohany. Tapaka ny tendany. Ma­tin’ny fitsaram-bahoaka ny dahalo iray tany Antsirabe II . Nalevin’ny fianakaviany sasantsasany toy ny nandevina biby ity mpangalatra omby iray matin’ny hatezeram-bahoaka tao Be­ma­hatazana ity. Nangalatra omby miisa 3 tao amin’ny distrikan’i Fandriana izy. Noroa­siny nihazo ny distrikan’An­tsirabe II ny omby saingy tratran’ny fokonolona mpanara-dia izay nitondra antsibe sy nitora-bato izy. Raikitra ny fitsaram-bahoaka ka nofirain’ny olona antsy, silaka roa ny lohan’ilay dahalo. Notapa­han’ny fokonolona koa ny tendany. Navelan’izy ireo teo ny fatiny. Nody nitondra ny omby ireto mpanara-dia.
Nijery ny zava-nisy ny zandary. Voamarina fa dahalo anisan’ny malaza ratsy amin’ny halatr’omby ilay novonoin’ny fokonolona. Narian’ny havany tsy ho isan’ny fianakaviana izy taorian’ny asa ratsy maro efa nataony. No­tsiahivin’ny zandary fa voararan’ny lalàna ny fampiharana fitsaram-bahoaka.
Dahalo efatra avy amin’ny faritra samihafa no matin’ny fitsaram-bahoaka tao anatin’ny herinandro monja.

Tsiferana R.

Partager sur: