Depiote Rakotondrasoa Fetra : “Fandaminan-javatra ny fepetra noraisin’ny Atitany”

“Fandaminana ny fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Atitany . Mba tsy ho tonga any amin’ny fihantsiana sy fifamonoana isika. Mafana ny rivotra politika ary hihamafana mandra-pahavita ny raharaham-pifidianana.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote Rakotondrasoa Fetra.
Anjaran’ny mpitarika po­litika sy ny olom-pirenena no mandamina izay. Mba tsy ho tonga any amin’ny fikasihan-tanana sy fifamonoana ary karazana valifaty ny fanehoan-kevitra sy famoriam-bahoaka. Raha fepetra hitondra ho amin’ny filaminana sy fitoniana: tsy hita loatra izay olana, raha izay no hahazoana mandamina sy milamina. Na izany aza, tokony hohajaina hatrany ny zo fanehoan-
kevitra sy fahalalahana ary famoriana vahoaka ao anatin’ ny fepetra takin’ny lalàmpa­no­­renana. Fepetra voalazan’ny lalàna ny famoriam-bahoaka sy ny fanehoan-kevitra politika.
Heveriny fa nandray lesona tamin’ireo raharaha politika nandritra ireo fitondrana rehetra nifanesy ny fahefana mpanatanteraka. Mba tsy ho tonga any amin’ny fihantsiana ny fanehoan-kevitra sy ny fa­moriam-bahoaka ary ny fahalalahana, araka ny nambarany.

R. Nd.

Partager sur: