Fananan-tany : fototry ny olana ny tsy fahalalana ny lalàna

Nikarakara varavarana mi­sokatra ho an’ny rehetra ny sampandraharahan’ny Fana­nan-tany, omaly, tetsy Anosy. Lohahevitra noraisina ny hoe: “ny fananan-tany sy ny fiangonana”. Tanjona ny hiadiana amin’ireo olana rehetra mikasika ny tsy fahafantarana ny lalàna mifehy ny fananan-tany eto amin’ny Nosy sy hanakaikezana ny vahoaka.
Maro ny olona tsy mahalala ny lalàna mifehy ny fananan-tany eto Madagasikara, antony nanaovana ny hetsika. “Miteraka olana eo amin’ny fikarakarana ny antotan-taratasy izany ary mahatonga ny ady tany sy olana hafa”, hoy ny talen’ny sampandraharahan’ny fananan-tany (DGD), Rtoa Rakotobe Mamy Ny Aina.
Maro ny tomponandraikitry ny fiangonana nanatrika ny fotoana teny an-toerana. Novaliana ny fanontanian’ny mpitsidika sady nomena torolalana. “Fanao isaky ny zoma voalohan’ny volana isan-taona ny hetsika toy izao ary miovaova ny lohahevitra”, hoy ny talen’ny sarin-tany eo anivon’ny fananan-tany (DST), Ramasimbamalaza Olivier.

Mino (Mpianatra asa)

Partager sur: