Hitondra fampandrososana : manohana ny Base Toliara ny Toko Bey Telo

Miha mazava amin’ny mponina eny ifotony, ankehitriny, ny fitrandrahana fasimainty ataon’ny Base Toliara. Nazava tamin’ny fikambanana Toko Bey Telo ny fanazavan’ny ONE sy ny INSTN, ka resy lahatra koa izy ireo fa tena hitondra fampandrosoana any Toliara sy Atsimo Andrefana ity tetikasa ity.

Nohazavain’ny teknisian’ny Ofisim-pirenena misahana ny tontolo iainana (ONE) sy ny Ivotoeram-pirenena misahana ny siansa sy ny teknolojia nokleary (INSTN) ny lafiny nanjavozavo mikasika ny tetikasa Base Toliara. Nohamafisin’ny INSTN fa kely ny tahan’ny « radioactivité », ka tsy misy ahiana. Nampahatsiahivin’ny ONE koa fa ara-dalàna ny fanomezan-dalana ara-tontolo iainana nomena ity orinasa ity tamin’ny taona 2015.
Isan’ny nanohitra ity tetikasa ity ny fikambanambe Toko Bey Telo, saingy resy lahatra aty aoriana. Nambaran’ny sekretera jeneraliny, Arivolaza Edmond, ampahibemaso, teo anoloan’ny olobe sy ny mpikambana ao aminy, ny fanohanan’ny fikambanana Toko Bey Telo ny orinasa Base Toliara sy ny fitakiana ny hanokafana azy indray.
Hampidi-bola eny ifotony sy ny fanjakana
Mahakasika kaominina maro ny fitrandrahan’ity tetikasa ity, toy ny any Ranobe Ankilimalinike, Tsianisiha, Belalanda, Maromiandra ary Toliara. Fantatry ny mponina tsara fa hampidi-bola ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana ny tamberim-bidy sy ny haba, ary ho an’ny fanjakana foibe ny hetra aloan’ny orinasa.
Matoa vory marobe izy ireo tamin’ity fihaonana ity, tsy misy intsony ny fisalasalana. Tsy noho ny fanazavan’ny ONE sy ny INSTN loatra, fa vokatry ny fahatsapan’izy ireo fa tena hitondra fampandrosoana any an-toerana ny tetikasa Base. Hiteraka asa ho an’ny mponina, hisy ny fanampiana sosialy (sekoly, fahasalamana,…), ho an’ny fianakaviana marefo amin’ny alalan’ny asa tanamaro (Himo), hahazo tohana amin’ny fambolena, ny jono, hanatsara ny fihariana samihafa, famatsian-drano fisotro, sns.
Hahazo tombontsoa ny mpandraharaha hafa
Eo koa ny asa tsy mivantana aterany, hahazoan’ny mpandraharaha sy ny orinasa any an-toerana tombony. Toy ny sehatry ny varotra, ny trano fisakafoana, ny fampanofana fiara, ny fiompiana sy ny fambolena, izay amidy any an-toerana, ka hitondra fampandrosoana eny ifotony. Hisarika ny fampiasam-bola vaventy hafa ny fisokafan’ny Base Toliara.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: