Jly Ravelonarivo Angelo: “Tsy maintsy tsinjovina ny filaminam-bahoaka”

Nitondra fanazavana momba ny fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Atitany ny Prefet an’Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo, omaly.

Nambarany tamin’izany fa ny lalàna manan-kery eto amin’ny firenena no maniraka ny tomponandraiki-panjakana handray fepetra mitsinjo ny filaminam-bahoaka. “Mbola tsy fotoanan’ny fampielezan-kevitra azo anaovana hetsika famoriam-bahoaka an-dalambe izao. Eo amin’ny fanetsehana ny rantsa-mangaikan’ny antoko politika tsirairay isam-paritra isika izao”, hoy izy. “Afaka mangataka fahazoan-dalana hanao hetsika amin’ny trano na toerana mifefy, araka ny fepetra noraisina ireo antoko na fikambanana politika”, araka ny namba­rany.

“Nanakiana izany ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay nilaza fa tsy mifanaraka amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena, efa nosoniavintsika. Fametrahana fepetra fitsinjovana ny filaminam-bahoaka sy ny andavanan-dron’ny vahoaka anefa io noraisina io”, hoy ihany izy.
Nirosoana izany ary nampifandraisina amin’ny Lalàm­panorenantsika sy ny fifanarahana iraisam-pirenena.

Notsindriny fa efa iaraha-mahalala ny fiakaran’ny maripana eo amin’ny politika amin’ izao fotoana izao. Anisan’ izany ny tranga tany Sam­bava, nanendahana sy namonoana mpitondra Babaj, nanao akanjo miloko vonim-boa­sary ireny. “Ahiana hiteraka koron­tana eo amin’ny filaminam-bahoaka ireny ary mety hi­seho amin’ny loko hafa koa aoriana. Tsy maintsy norai­sina ny fepetra”, hoy izy.

Niaiky ny tenany fa zary niteraka fanakianana io fepetra noraisin’ny fanjakana io.

Synèse R.

Partager sur: