Kitra- frankofonia : miray vondrona amin’i Congo ny Barea

Fantatra ny alakamisy lasa teo, ireo firenena hifanandrina amin’ny Barea de Madagas­car, eo amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny lalaon’ny Tany miteny ampahany na manontolo ny teny frantsay (Jeux de la Franco­phonie 2023). Ao amin’ny vondrona “i”, miaraka amin’ ny RD Congo sy Congo Braz­zaville ary i Canada ny Mala­gasy. Ho fiatrehana izany, hanomboka anio sabotsy 8 ka hatramin’ny 15 avrily izao, eny amin’ny ivotoeram-piofanana Carion, ny fampivondronana voalohany, ireo mpilalaon’ny Barea. Tsiahivina fa nofantenana tamin’ilay fifaninanana niadiana ny amboaram-paritra, natao ny volana febroary lasa teo, ry zalahy ireto. Natokana ho an’ireo latsaky ny 20 taona, ny lalaon’ ny Tany miteny frantsay.
Hampiantrano ny “Jeux de la francophonie -2023” ny RD Congo, ny 28 jolay ka ha­tramin’ny 6 aogositra, ho avy izao. Tsiahivina fa indroa nihemotra ity lalao ity, noho ny fisian’ny valanaretina Coro­navirus. Araka ny fanazavana nomen’ny tale teknika nasionaly (DTN), Rado Rasoa­naivo tsy ny lalaon’ny Tany miteny frantsay ihany no homanina amin’izao fa tafiditra koa ny fiadiana ny amboaran’ny fi­lankevitry ny fikambananan’ ny baolina kitra, ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Cosafa cup).

Tompondaka

Partager sur: