Natao sonia, omaly, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), notarihin’ny minisitra, Ramilison Harifidy, sy ny Dr. John MacRobert, mpikaroka sady nisolo tena ny orinasa tsy miankina mpamokatra masomboly, Mukushi Seed Company (MSC), manana ny foibeny any Zimbabwe. Nanolotra masomboly fototra katsaka zafindraony ity orinasa ity (HP 317), amin’ny alalan’ny ONG iraisam-pirenena Seed system group (SSG).
Nilaza ny minisitra Minae, Ramilison Harifidy, fa mampiavaka an’ity fifanarahana ity ny nanomezana maimaimpoana ireo masomboly katsaka fototra ireo. Nefa tombony lehibe koa satria ho azon’ny mpamokatra masomboly matihanina eto Madagasikara vokarina sy hampitomboana.
Mihena antsasany
ny vidin’ny masomboly
Miara-miombon’antoka amin’ny SSG Madagasikara amin’ny famokarana azy eto Madagasikara, hahazoana mari-pamantarana, ny foibe Fofifa sy ny Fifamanor.
Nilaza ny tompon’andraikitry ny SSG Madagasikara, ny injeniera Rabenasolo Mbosa, fa tombony lehibe azo amin’ny masomboly katsaka zafindraony HP 317 ny vokatra omeny.
Tafakatra avo 2 na 3 heny ny vokatra azo amin’ny fampiasana azy. Izany hoe, mahatratra 6 hatramin’ny 8 taonina isaky ny hekitara, raha manodidina ny 2 t/ha – 3t/ha ny masomboly tsotra. Hihena antsasany ny masonkarena vokarina eto an-toerana (manodidina ny 10.000 Ar), raha oharina amin’ny masomboly afarana avy any ivelany, izay manodidina ny 20.000 Ar.
Mahatanty hain-tany
Miasa amin’ny firenena miisa 15 aty Afrika ny fikambanana iraisam-pirenena ny ONG Seed system group (SSG). Anisan’izany ny eto Madagasikara, efa nanomboka ny volana mey 2022. Filamatra napetrany ny Revolisiona maitso ho an’ny fambolena aty Afrika (AGRA).
Ifantohany ny fampiroboroboana ny fikarohana mikasika ny masomboly, ka anisan’izany ny katsaka sy ny ovy. Manohana azy ara-bola ny Foibe fikarohana iraisam-pirenena avy amin’ny governemanta kanadiana (CRDI).
Isan’ny faritra iasan’ny SSG ny any Vakinankaratra sy ny any Atsimon’ny Nosy. Mahatanty ny hain-tany ity masomboly zafindraony ity. Nomarihin’ny Dr. John Mac Robert, fa tena mazoto mamboly katsaka ny tantsaha malagasy any Vakinakaratra.
Njaka A.