Raitra! Izay no azo ilazana ireto fitaovana nomen’ny Firenena Mikambana sy ny firaisambe Afrikanina mba hamotehana ireo basy tsy ara-dalàna miparitaka eto Madagasikara. Mitentina 100 000 dolara ny tetibidiny. Misy ny paika hiadiana amin’ny fiparitahan’ny basy tsy ara-dalàna eto Madagasikara tamin’ny alalan’ ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fivarotana fitaovam-piadiana “traiter sur le commerce des armes”. Nolaniana teo anivon’ ny firenena Mikambana izany ny taona 2015. Ny fiarahamonim-pirenena sivily no nandroso izany teo anivon’ny Firenena Mikambana ka niditra ho mpikambana tao anatin’izany fifanarahana izany i Madagasikara ny taona 2016, araka ny fanazavan’ny talen’ny ozinina Miaramila ao Moramanga, ny Jly Randriamiaramanana Emma. Ny asan’io sekretera mpanatanteraka io fifanarahana io, manampy ny firenena rehetra izay te hiady amin’ny fiparitahan’ny basy tsy ara-dalàna. Efa tafakatra 115 ny firenenea ao anatin’io fifanarahana io amin’izao taona 2023 izao, raha ny nambaran’ity manamboninahitra jeneraly ity hatrany. Nanomboka niditra tao isika ny taona 2016 ka nangatahan’izy ireo ny paikady hahafahan’io vondrona iraisam-pirenena io manara-maso sady manampy antsika rahateo izy ireo. Narafitra ny paikady ny taona 2017 ka nanomboka teo hatramin’izao 2023 izao, nanaraka izany paikady sy nanohana hatrany ity fifanarahana ity ny vondrona iraisam-pirenena. Tafiditra ao anatin’izany paikady izany ny famotehana ireo basy tsy ilain’ny tompony na hita sy/na tratra eny ampelatanan’ny mpanao ratsy. Efa nisy ny tetika niarahana tamin’izy ireo nandritra ny iray volan’ny famotehana basy. Efa indroa isika teto Madagasikara no namotika basy, teny Analakely. Noho ny tsy fananantsika fitaovana anefa, nopotehina tamin’ny fiara misy kodiarana vy ireo basy. Betsaka ny tsikera manoloana izany rehetra izany, araka ny fanazavan’ny talen’ny ozinina miaramila hatrany. Tanjona amin’ny famotehana azy eny imason’ny vahoaka ny mba hananan’izy ireo fahatokisana. “Nitsiry ny hevitra taorian’ izay amin’ny hitadiavana fitaovana hahafahana mamotika tanteraka ireny basy ireny fa tsy hanitsakitsahana izany fotsiny”, hoy izy, ka antony nahazoana izao fitaovana avolenta izao.
Faharoa aty Afrika
Natao ny tetikasa ny taona 2022, izay tanteraka. Isika no firenena faharoa aty Afrika nahazo ity fitaovana famotehana basy ity taorian’i Rwanda, izay nampiasa azy noho ny zava-nitranga niaraha-nahita tany an-toerana. Nambaran’ ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa fa ho entina hampihenana ny fandrahonana sy ny herisetra ny fahazoantsika ny fitaovana. “Isaorantsika ny Firenena Mikambana sy ny firaisambe Afrikanina. Azo ampiasaina amin’izay mety hampiasana azy ny fahazoana izao fitaovana izao. Manampy ny tomponandraikitry ny filaminana mba hampandry fahalemana an’i Madagasikara”, hoy hatrany izy. Nangataka fiaraha-miasa amin’ ny vahoaka ihany koa ity manamboninahitra jeneraly ity mba hahafahana mampandry fahalemana sy misoroka mialoha ny asa ratsy, indrindra amin’ny fiparitahan’ny basy. Nohamafisiny fa rehefa mihena ny fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna miparitaka, mihena toy izay koa ny tsy fandriampahalemana.
Jean Claude
Toy izao ny mombamomba ity fitaovana famotehana basy ity : Vita Anglisy ka ny orinasa mpanamboatra ireo fiara marika JMC no nanamboatra azy. 100 000 dolara ny vidiny (2 500 000 000 fmg). Ny firenena Mikambana no nandoa ny vola ary betsaka ny fepetra takiana amin’ny fampiasana azy. Menaka fampiasana amin’ny fiaramanidina no ampiasaina aminy (280 litatra) indray miditra ao anatiny. Matanjaka ihany koa satria 1 200 taonina ny herin’ny kaikitry ny hety raha mandeha groupe 380 Volt ary alohan’ny hiasany dia mila tanjaka 330 KVA. Fiara marika indianina kosa no mitondra azy ary efa natao hifanaraka amin’ny fampiasana ireto fitaovana ireto izany.