Tonga nanamarika ny fankalazana ny fahatelo taonan’ Iarivo Radio, teny Tsimbazaza ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina, omaly. Ny taona 2020 no niverina nisokatra ny Radio an’Iarivo fa efa nisy ity onjampeo ity tamin’ny fitantanana teo aloha nifandimby. Nosokafana indray ny onjampeo hifaneraseran’ny mpitantanan’ Antananarivo sy ny mponina amin’ny tsara ho fantatra rehetra.Mampita ny vaovao samihafa tsy mitanila ny onjampeo. Amin’ izao fankalazana izao, hamafisina hatrany ny firaisankinan’ny mpiasa sy ny fanatsarana ny fandaharana.
Tanjona ny hanakaiky ny vahoaka eto Antananarivo Renivohitra sy ny fanabeazana amin’ny alalan’ireo fandaharana maro vokariny. Anisan’ny mampiavaka ny Iarivo Radio ny fanampiana ireo tanora mamita fianarana amin’ny fianaranasa. Nanamarika ny fankalazana ny tsingerin-taona ny fandaharana toy ny isan’andro nanomboka tamin’ny 7 ora maraina. Teo ihany koa ireo fandaharana nandraisan’ny mpihaino anjara mivantana.
Vonjy A.