Manamafy ny fahaiza-manao ny Malagasy mpandraharaha. Manampy azy hampiasa ny fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Ireo no tanjona napetraky ny orinasa WeLight. Nampiofana mpandraharaha maromaro avy any Fenoarivo Atsinanana ity orinasa lehibe ity hampiroboroboana ny tetikasany. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny sampandraharaha alemà, GIZ, amin’ny fampitaovana. “Hanafaingana ny fampiasana ny angovo azo havaozina any ambanivohitra, miantraika mivantana amin’ny toe-karena sy ny sosialy”, hoy ny tale ara-barotry ny orinasa, Alexandre Castel.
Afa-po amin’ny fiaraha-miasa amin’ity orinasa ity ireo mpandraharaha niofana eto an-dRenivohitra. Nilaza ny solontenan’ny mpiofana, fa “nantsoina hiofana ato amin’ny Nexta izahay, mba hampitombo ny fahaiza-manao. Nampianarina ny fahaiza-mitantana ny zavatra nomena. Entinay eny amin’ny vahoaka izany mba hampihitatra ny orinasa WeLight any amin’ny kaominina hafa”. Efa nahazo milina fitotoam-bary avy amin’io orinasa io izy teo aloha. Taty aoriana, nomeny hafa ka izao nahazo milina fikirakirana hazo izao indray.
Henintsoa H.