Hamonjy ny fampivondronana faharoa any Frantsa ny Ankoay U19, rahampitso. Tsy
isan’ny delegasiona, Rakotonanahary Donovan. Afaka hiatrika ny fifaninanana “World Cup 2023” any Hongrie kosa izy.
Hiainga eto Madagasikara rahampitso, hihazo an’i Frantsa ny ekipam-pirenena Ankoay U-19. Misy mpilalao ny 14, sy mpanazatra roa, ary tomponandraikitra 4 ny delegasiona. Tsy afaka manatrika ny fiarahana amin’ity andiany ity, Rakotonanahary Donovan, mpilalaon’ny Lamelo Ball. Tsy nahazo alalana avy tamin’ny sekoly ianarany any Etazonia izy. Afaka miatrika ny fampivondronana farany mialohan’ny fifaninanana “World Cup Hongrie 2023”, izay hatao ny 26 jona hatra-min’ny 2 jolay, anefa izy. Marihina fa sivy andro ny fampivondronana sy ny fanazaran-tena. Ny 10 hatramin’ ny 29 aprily no hijanona any Chalon, Frantsa misy ny klioba Elan, hilalaovan’i Mathias M’Madi ny ekipantsika.
Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra eo anivon’ ny federasiona malagasin’ny basikety na FMBB, hanatanteraka lalao fitsapana dimy any an-toerana izy ireo. Araka izany, hihaona amin’ireo klioba any Frantsa ny ekipam-pirenena malagasy. Raha ny vaovao voaray, ho fantatra aorian’ ity fiofanana andiany faharoa ity ny lisitr’ireo mpilalao 12 handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy.
Tsiahivina fa ny voalohan’ ny volana jona no hanainga eto Madagasikara hihazo an’i Belgrade, renivohitr’i Serbia ny Ankoay. Hanantanteraka fampivondronana farany, mialoha ny fifaninanana “World Cup” izy ireo. Hanao lalao fitsapana amin’ny firenena enina, mandray anjara amin’ ny “Mondial” ny mpilalao malagasy. Anisan’ireo hihaona amintsika, i Frantsa, i Turkey, i Liban sy i Korea atsimo ary i Egypte.
Araka ny atsapaka, ao amin’ny vondrona “B”, ahitana an’i Etazonia sy Slovenia ary i Liban no misy ny Ankoay an’i Madagasikara.
Fitia (Mpianatra asa)
Lisitr’ireo mpilalao Ankoay U19
Andriatsarafara Lovasoa Ny Aina Andyerson (Kapiteny)
Rabibisoa Jerry Pepin
Randimbiarivelo Rino
Mirando Andriantsiferana Maharo Levah
Emmanuel Yves Victorien Leon
Heritiana Fabrizio Mickael Patrick
Be Richcard
Tovolalaina Mariano Sylvain
Tsihindiny Laurent Tahintsoa Junnhio O’Neal
Randrianalinjafy Dina
Raharinaivo Zoherimalala Davida
Raolompanatena Thesbon Sydney
M’Madi Mathias
Mpanazatra 2 :
Randria Aimé Alain Marcel
Razazarohavana Malalatiana