Nanararaotra nivarotra rongony ireto mpivarotra sakafo masaka tao Belambanana Andoharanofotsy, omaly. Nifanotofana rahateo ny fividianana sakafo teny an-toerana satria fety ny andro. Tsy vitan’ny sakafo ihany anefa no namidin’izy ireo fa nivarotra rongony ihany koa.
Araka ny tatitra nampitain’ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, mody mividy sakafo ny mpifoka rongony kanefa tsy famerim-bola no raisiny fa zavatra lavalava mifono taratasy (rongony io). Nisy tamin’ireo olona nisakafo tao amin’ity mpivarotra ity nahatsikaritra izany ka nitoroka tany amin’ny zandary. Nidina teny amin’ilay toeram-pisakafoana ny zandary ka voamarina tokoa izany. Hita tao ambany latabatra ny fonosan-drongony 20.
Lehilahy iray nahatrarana rongony ravina 29 kg tao Ambato, kaominina Lanjarivo, distrikan’Antalaha, ny 7 avrily. Nanaovana vela-pandrika rehefa nalaza ratsy amin’ny fikirakiraina io karazan-java-mahadomelina io. Nampiahiahy ny manodidina koa ny fihetsik’ity lehilahy ity ka nataon’ny zandary ny fisamborana azy. Nosavaina tany aminy ka sarona ny rongony telo gony. Nambarany fa avy any Sambava izy. Milanja 29 kg ireto entana tra-tehaka teny aminy ireto.
Jean Claude/Tsiferana R.