Anosipatrana : fanafihana nitsefotra, jiolahy enina matin’ny polisy

Saika hanafika saingy tratra mialohan’ny fotoana. Jiolahy enina maty rotiky ny balan’ny polisy
misahana ny heloka bevava, sakelika fahefatra, teny Anosipatrana, ny zoma alina.

Nihorohoro ny mponina teny Anosipatrana sy ny manodidina ny zo­ma alina teo, nandritra ny fifampitifirana teo amin’ny polisy sy ny jiolahy. Tsy ni­fandrenesana ny poa-basy teny an-toerana, araka ny fi­tantaran’ny mponina. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny sampandraharaha misahana ny fampitam-baovao eo anivon’ny polisim-pirenena, ni­kasa hanafika mpamongady iray teny Anosipatrana ny fito lahy, tamin’io fotoana io.
Nahazo angom-baovao, efa nihatrana mialoha teny an-toerana ny polisy. Tokony ho tamin’ny 10 ora alina, nigadona teny an-toerana ny andian-jiolahy. Nivonona ny handroba, niaraka tamin’ny basy vita gasy efatra sy basy poleta iray ary antsy. Nilaza ny polisy fa nametraka ny paikady rehetra hahafahana misambotra. Ti­fitra avy hatrany anefa no nasetrin’ireo jiolahy. Raikitra, noho izany, ny fifampitifirana.
Nahery vaika ny fifandonana, maty voatifitra ny jiolahy enina. Naratra voatifitra teo amin’ny tongony ny iray saingy mbola afa-nitsoraka tao amin’ny reniranon’Ikopa. Nohama­fisin’ny polisy fa 12 ny fanafihana mitam-piadiana efa vitan’ity andian-jiolahy ity, tao anatin’ny telo volana izay. Isan’ izany ny famonoana ny mpamongady iray izay nipetraka teny Anosipatrana ihany koa.
Nikasa hanohy ny asa ratsiny izy ireo tamin’ny zoma. Nifanehitra tampoka tamin’ny polisy ka maty voatifitra. Jio­lahy mpamerin-keloka avo­koa izy enina ireo, araka ny tatitra nampitain’ny polisy hatrany.

Jean Claude

Partager sur: