Nihaona tao amin’ny Lapan’i Luxembourg, tany Paris, ny delegasiona tarihin’ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS) malagasy, Razafimahefa Heriniaina, sy ny vondrona loholona frantsay, «naman’i Madagasikara», tarihin-dRtoa loholona atsy La Réunion, Nassimah Dindar, ny 5 avrily teo. Naneho ny fahavononany hiara-kiasa amin’i Madagasikara, ny loholona avy any amin’ny departemanta sy faritra maromaro (Iles de France, Yvelines, Morbihan Bretagne, l’Ain, Bretagne, Côtes d’Armor, Bas-Rhin, La Réunion, Mayotte). Sehatra voakasika ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ny fanabeazana, ny fanomezan-danja ny fahaiza-manao malagasy. Eo koa, ny harena an-dranomasina, ny fambolena sy ny fiompiana, ny famatsian-drano fisotro, ny rano sy ny fanadiovana, ny tontolo iaiana, ny angovo, sns. Misy ny endriky ny fiaraha- miasa, amin’ny alalan’ny fametrahana tanàna mirahavavy.
Nojerena miaraka koa ny hanomanantsika ny fihaonambem-paritra eo amin’ny faritra any Frantsa sy i Madagasikara amin’ny taona 2024. Efa vita sonia ny fifanarahana mikasika azy teo amin’ny filohan’ny loholona malagasy, Razafimahefa Herimanana sy frantsay, Gérard Larcher. Nisy koa ny fihaonana tamin’ny loholona Rtoa Françoise Gatel, filohan’ny vondron’ny vondrom- paritra sy ny fitsinjaram-pahefana frantsay.
Nanotrona ny filoha PS Malagasy, ny loholona isany, Ndremanjary J. André, Fernand Eddie S. ary Manasoa D.Tang.
Njaka A.