Arivonimamo : jiolahy efa-dahy maty rotiky ny bala

Nandroba vola 4 tapitrisa Ariary! Lavon’ny zandary ireo jiolahy efa-dahy nanafika tao amin’ny tanànan’Andrano­miely – Arivonimamo, ny 7 avrily teo. Niditra an-keriny tao amin’ilay tokantrano, nitady vola sy ny fahana amin’ny telefaonina izy ireo. Fito lahy ny mpanafika ka tsy afa-nandà ny lasibatra. Natolony tsy fidiny an’ireo mpanao ratsy ny vola efatra tapitrisa niampy ireo karatra fahana.
Poa toy izay, nirifatra nandositra ireo jiolahy. Naharay ny loharanom- baovao avy tamin’ny mpifanolo-bodirindrina ireo lasibatra ny zandary. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana namany hisafo ny kizo izy ireo. Raikitra ny fanarahan-dia. Nifanehatra tamin’ireo jiolahy, raikitra ny fifampitifirana.
Ireto farany izay nikasa hisitrika tao Tsiafajavona izay faritra arovan’ny zandary. Vokany, rotiky ny bala ny efatra tamin’ireo olon-dratsy. Nandositra ny namany telo. Mitohy ny fikarohana azy ireo. Notsiahivin’ny zandary fa ilaina hatrany ny fifanomezan-tanana amin’ny alalan’ny fampitam-baovao ahafahana misambotra ireo jiolahy.

Tsiferana R.

Partager sur: