Mitohy ny raho-mainty mitatao eo amin’ny asa fanaovan-gazety misahana ny fanatanjahantena. Nindaosin’ny fahafatesana tamin’ny sabotsy, ny zokiolona Ratsifandrihamanana Solofo Mamy.
Anisan’ireo mpanao gazety sangany Itompokolahy, namolavola olona maro. Tena nanavanana azy ny fanadihadiana amin’ny baolina kitra sy ny familiana fiarakodia ary ny taranja tenisy, sns.
Nanoratra tao amin’ny Midi Madagasikara sy tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina Ma-Tv. Izy no namorona sy nanolotra ny fandaharana Ma-Hery. Mpampianatra fanatanjahatena nivoaka avy eny amin’ny oniversiten’ Antananarivo, i Solofo Ratsifa. Mpikambana tao anatin’ny Association des journalistes sportifs de Madagascar (AJSM), tamin’ny fotoan’androny.
Efa voapetraka eny amin’ny fasan-drazany eny Ambohitrinimamba Ambatolampikely, omaly, ny vatana mangatsiakany. Namela mananontena sy kamboty mianadahy ary zafikely i Solofo. Mirary fihononana feno ho an’ny fianakaviany ny Gazety Taratra.
Torcelin