Niala voly ny ankamaroan’ny Malagasy, omaly alatsinain’ny paska. Samy nifaly sy nampifaly ny fianakaviana ny rehetra. Tsy hita soritra izay fiakaran’ny vidim-piainana.
Fety tetsy, lanonana teroa. Nankalaza ny fetin’ny paska, araka izay teo ampelatanany ny Malagasy. Azo lazaina fa toy ny isan-taona Nisomebiseby sy nifanitsa-kitro ny vahoaka. Nahitana mpitsangatsangana maro na ny teto andrenivohitra na ny tany ivelan’ny tanàna, omaly. Ambatomirahavavy, Imerintsiatosika, Ambatofotsy, Antaboaka Arivonimamo, Ampefy, samy tomefy mpiala voly.
Manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana, manana 50.000 Ariary farafahakeliny ny tokantrano iray nanomanana ny fety, raha ny fanadihadiana natao. “Nanomana 150.000 Ariary izahay mianakavy satria nisafidy ny hiala kely an’Antananarivo”, hoy i Fidy. Nilaza izy fa natokana hoi an’ny sakafo sy ny solika amin’ny fiara izany. Niala tamin’ny 5 ora maraina izy ireo ary niverina ny hariva ihany. “Mba miala amin’ny fiainana andavanandro sy ny rotorotom-piainana ny anton’ny fitsangantsanganana”, hoy i Niry. Nilaza izy fa mba hahafahan’ny mpianakavy miaraka mifety sy manokana fotoana iarahana ihany koa izao.
Maro ny mpivavaka
Feno hipoka ny fiangonana nandritra ny sasakalina sy ny alahadin’ny paska teo. Nisy fidirana inefatra izany ho an’ny fiangonana maro teto andrenivohitra. Fotoana iray manan-danja ho an’ny krisitianina. Sady nankalazana ny nitsanganan’i Kristy velona sy nandraisan’ireo zanaky ny fiangonana ny sakramentan’ny batemy izany, ho an’ny katolika.
“Fotoana hialana amin’ireo fahotana vita sy natao”, hoy i Mamitiana. Nilaza izy fa fanamafisana ny finoana ananana ihany koa izany. Anisan’ny tsy adinon’ny rehetra ny nampiseho sy nitondra akanjo vaovao nandritra ny fotoam-pivavahana, tsy ambakan’ny noely.
Nanararaotra ny fahafahany ny olona sasany niditra am-piangonana, raha ny fanadihadiana natao. “Tsy te handeha hivavaka na dia manam-potoana aza isaky ny alahady fa rehefa fotoan-dehibe toy izao vao manararaotra”, hoy i Toky.
Tsiahivina fa nanomana sakafo nampiavaka sy hanamarihana ny fety avokoa ny ankamaroan’ny olona. Toy ny akoho amam-borona, paty, zava-pisotro ary nifampizara sokolà!
Mino (mpianatra asa)