Nitondra ny traikefany ho an’ny Malagasy ny delegasionina ivoarianina momba ny fiahiana sosialy ho an’ny mpiasa nandritra ny herinandro, teny Ankorondrano. Voakasika manokana ny ho an’ny sehatra tsy miankina sy ny tontolo ambanivohitra, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy, Rivotiana Richard Jean Bosco. Nanatrika ny dinidinika koa ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka sy ny minisitry ny Mponina satria mahakasika azy ireo koa ny lohahevitra. Tanjona ny famolavolana paikady mifanaraka amin’ny lalàna misy eto amintsika sy ny fampiharana izany.
“Efa misy ny fiahiana sosialy ho an’ny mpiasa eto Madagasikara. Efa tsapa ny fahavononan’ny fitondrana hampihatra azy fa mila fanamafisana”, hoy ny solontenan’ny delegasionina ivoarianina. Ilaina koa ny mandrindra ny asa ho an’ireo efa manatanteraka ny fiahiana sosialy. Tokony ho tonga
amin’ny fandrafetana rafitra nohatsaraina momba izany ny fanjakana. Manohana ara-teknika ny BIT.
Fitaratra aty Afrika i Côte d’Ivoire amin’ny fiahiana sosialin’ny mpiasa.
Vonjy A.