Filoha Rajoelina sy ny filoha Isaac Herzog : hanohana ny angovo sy ny teknolojia ny israelianina

Nanao fivahinianana ma­sina tany Israely ny Filo­han’ny Repoblika, Rajoelina Andry sy ny vady aman-janany, nandritra ny fetin’ny Paska. Nohararaotiny tamin’izany ny fihaonana tamin’ny filoha israelianina, Isaac Herzog. “Mahavelom-panantenana ny amin’ny ho avin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Niom­panan’ny dinika nifanaovana ny ho fiaraha-miasa eo amin’ny teknolojia, indrindra ny momba ny rano. Ny lafiny angovo sy ny fahasalamana ary koa ny fambolena sy ny fiompiana.”, hoy ny filoha, Rajoelina Andry.
Nasian’ny filoha resaka tamin’izany koa ny hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny toekarena. ” Mbola hisy ka ho avy ny fotoana hi­verenana aty Israely indray hiarahana amin’ny delegasiona manokana momba ny toekarena sy ny eo anivon’ny varotra, araka ny fanasana nataon’ny filoha İsaac Herzog”, hoy hatrany izy.

Amin’ny maha mpino

Fivahinianana tsotra, amin’ny maha mpino ny fianakavian’ny filoha no nanaovan’izy ireo ny fitsidihana, araka ny fampitam-baovao. “Zava-dehibe amin’ny maha mpino azy. Manan-danja tokoa izao fitsidihana tanterahiny any an-toerana izao”, hoy ny fanambarana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Nohara­raotina anefa ny nihaonana tamin’ny tomponandraikitra ambony sy mpitondra israelianina, nifampiresahana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta.

Synèse R.

Partager sur: