Norombahin-dRasoanaivo Razafy Aina Laura, ny medaly volamena, tamin’ny fifaninana « Luanda Junior African Cup » izay natao tany Angola. Nametraka azy ho isan’ny sangany maneran-tany amin’ny taranja Judo, sokajy latsaky ny 70 kg izany.
Voahosotra ho tompondakan’i Afrika, nandritra ny fifaninanana «Luanda Junior African Cup», ho an’ny taranja Judo, sokajy vehivavy (-70 kg), Rasoanaivo Razafy Aina Laura, mpikatroka malagasy. Fifanintsanana izay notanterahina tany Angola, ny 8-9 aprily 2023 lasa teo. Tsy nisy nahatohitra an-dRamatoa Laura ny mpifanandrina taminy.
Raha hiverenana ny fifaninanana nataon’i Laura, lavony teo amin’ny sokajy A ilay atlenta avy ao an-toerana, Bento Olga, nandritra ny fifanandrinana isam-bondrona. Nahintsan’ity mpikatroka malagasy ity teo amin’ny lalao manasa-dalana i Gabriel Marta, mbola avy ao Angola ihany. Teo amin’ny dingana farany, hiadiana ny medaly volamena, lavon’ity mpilalao malagasy ity i Joao Josefa, mpikatroka avy ao amin’ny firenena mpampiantrano.
Araka ny vokatra azon’i Laura, heverina ho voatazontsika malagasy ny medaly volamena amin’ity taranja Judo ity, mandritra ny lalaon’ ny Nosy. JIOI 2023, izay hotanterahina eto amintsika ny volana aogositra ho avy izao.
Taorian’ny vokatra azon’i Laura, mitontaly dimy, araka izany, ny medaly volamena azony, nandritra ny fifaninanana rehetra nataony.
Efa tompondaka izy tamin’ny fifaninanana “African Junior Kenya 2022”, ny “Tunis Junior African Cup 2023” sy ny “Open Tunis 2023” ary ny “Alger Junior African Cup 2023”.
Fitia (Mpianatra asa)