Kaominina Antananarivo Renivohitra: mifanohana ny ben’ny Tanàna sy ny zokiolona

Ho fanamafisana ny fiarahana sy fiaraha-miasa miaraka amin’ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina. Nisy ny fiaraha-misakafo tamin’ireo mpiasa efa misotro ronono ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny zaridaina Anosy.
Mahatsapa mbola manana adidy amin’ny fanampiana ny mpitantana sy ireo zandry mpiara-miasa amin’ny fanoroana azy ireo ny zoky.
Ray aman-dreny anisan’ny manana traikefa maro amin’ny asan’ny kaominina izy ireo. Mbola vonona hatrany ny fikambanana hiara-hiasa amin’ny ben’ny Tanàna amin’ny fanatanterahana ny vina sy ny fampandrosoana ny tanà­nan’Antananarivo. Efa betsaka ny hetsika niarahan’ny fikambanana sy ny ben’ny Tanàna nanatanteraka, toy ny fambolen-kazo, fanadiovana ny tanàna sy ireo asa sosialy maro samihafa.
Manao fanentanana ny mponina ihany koa izy ireo amin’ny fanajana ny fahadiovana sy ny fanajana ny tontolo iainana.

Vonjy A.

Partager sur: