Kardinaly Tsarahazana Désiré : “Tsy handrosoana ny baranahiny

Tsy nitsisy teny fa nahitsy… “Lazaina ny zava-misy fa tsy handroso mihitsy isika raha tsy miova ny toe-tsaina baranahiny, ny tsy firaharahana ny soa iombonana, ny fihatsarambelatsihy. Ny vola no mibaiko ny rehetra dia ny fisian’ny kolikoly”, hoy ny hafatry ny Arsevekan’ny diosezin’i Toamasina sady filohan’ny Fivondronamben’ny evekana eto Madagasikara, anivon’ny Ekar, ny kardinaly Tsarahazana Désiré, tany Toamasina, afakomaly, tamin’ny fahatongavan’ny Paka 2023. Fakam-panahy mety mahazo ny maro amin’izao fotoana izao ny tsy fahasahiranana manoloana ny zava-misy sy ny zava-mitranga.
63 taona latsaka kely izao no nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantenam-pirenena. Iaraha-mahita izao ny toerana misy ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Ry hava-malala ao amin’ny Tompo, tonga ny fetin’ny Paka. “Arahabaina isika mianakavy tratran’izay fety izany. Lasa fanantenana ny hakiviana, satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompontsika”, hoy izy. Vanim-potoana androsoana sy ialana amin’ny fahasahiranana ny Paka.

R. Nd.

Partager sur: