Mandritra ny fetin’ny paska izay maha-betsaka ny olona eny amin’ny torapasika no hampiharana indray ny fakana ny haba ho an’ny elo sy ny parasol. Izany dia araka ny tapaky ny kaominina ao Mahajanga.
Nivory ireo tomponandraikitra sy mpampanofa elo eny amin’ny Petite Plage sy Grand-Pavois nidinika mahakasika izany. Ho fampiharana ny «délibération» nataon’ny mpanolontsaina dia 1.000Ar isaky ny elo isan’andro no haba alain’ny kaominina. Rehefa fialan-tsasatra sy andro fety, isan’andro ny fandalovan’ny mpaka hetra. Rehefa andavanandro, isaky ny faran’ny herinandro no fotoana andalovan’izy ireo. Manao badge hatrany ny mpitaky hetra.
Hajaina ny faritra izay efa natokana ho an’ny mpampanofa elo (300m²) mba tsy hahafahan’ny olontsotra mamelatra lamaka sy elo intsony. Hisy ny fiaraha-miasa amin’ny CUM, indrindra rehefa andro fety amin’ny fanadiovana faobe. Hisy polisy monisipaly eny amin’ny torapasika mandritra ny fotoana mahabe olona.
Mijanona ho 4000ar hatramin’ny 15000ar ny hofan’ny elo arakaraky ny filàn’ny mpanjifa.
Marihina fa raha ho an’ny Petite Plage manokana, efa mahatratra 300 mahery ireo mpisehatra amin’ny asa eny amin’ny torapasika ahitana mpampanofa elo, mpanao masonjoany, mpivarotra, sns.
Tatiana A