Pasitera Andriamahazosoa Irako Ammi : “Aoka tsy ho mpitarika tahaka an’i Petera…”

Nampita hafatra amin’izao fetin’ny Paska izao ny filohan’ny FJKM, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi. Notsiahiviny tamin’izany ireo nanamarika an’i Jesoa sy ireo manodidina azy toy ny fitsanganana amin’ny maty.

Toy ny mahazatra amin’ny fety kristianina lehibe, toy ny paska dia nitondra ny hafatra ho an’ny mpino ny filohan’ny Fiango­nan’i Jesoa Kristy eto Mada­gasikara na ny FJKM.navoitrany fa betsaka ireo manao sakaiza manody. Misy ny mody manoroka nefa mamadika, toa an’i Jodasy. Eo koa ny adalam-bola, namadika ny Tompony tamin’ny sekely 30. Tsy vitsy ny olona feno hafanam-po diso toerana, toa an’i Petera nikapa ny sofin’i Malko mpanompon’ny mpisoronabe. Nataony hisaintsainan’ny besinimaro izany.
Anisan’ny niompanan’ny hafany ny mpitarika: “Be resaka nefa tsy mena-mivadika toa an’i Petera nanda intelo ny Tompony. Ny zavatra nilokalokana hafa, nefa ny tena atao hafa: Mitsangàna amin’ny maty”, hoy izy. “ Eo koa ny amin’ireo mpianatr’i Kristy, nefa toy ireo mpianatra kanosa, nitsoaka natanjaka na nitsoaka nitanjaka rehefa tojo ny mafy.”, hoy hatrany izy.
Nitodika amin’ireo mpitsara koa ny hafany. Tsy sahy mijoro amin’ny fahamarinana. Misy ny manameloka ireo hitanao ho tsy meloka. “Ma­na­sa tanana ho porofon’ny fialana andraikitra feno hakanosana, toy ny governora Pilato: Mitsangàna amin’ny maty”, hoy izy.

Naroboka ny vahoaka

Nitodika amin’ny vahoaka koa ny hafany amin’izao Paka izao. Nanteriny fa vokisan’ny manam-pahefana lainga, asesika hamono olo-marina ka roboka tsy amim-pisainana. “Asaina mifidy nefa jiolahy no fidina, toy ireo vahoaka tao Jerosalema fahizay : Mi­tsangàna amin’ny maty”, hoy ihany izy. Ireo vahoaka ireo koa anefa no mpivadibadika ka miantso hoe:”Hosana”, anio nefa avy eo miantso hoe:”Homboy!”.
Nentaniny hitsangana amin’ny maty koa ireo maniratsira an’i Jesoa, manao azy ho fihomezana, toy ireo nampisatroka tsilo sy nikapoka ary nandrora azy.
Tahaka izany koa ireo mpitondra fivavahana mpambosy vahoaka hiantsoantso ny “homboy! homboy” noho ny fialonana.
Namaranany ny hafatra, nanentana ireo tahaka ny miaramila Romanina nofahanam-bola, nanaovana kolikoly ka lasa nampiely lainga izy.

Synèse R.

Partager sur: