Vita hatreo ny tantaran’i Djaffar, raindahiny amin’ny fakana an-keriny. Voatifitra teo amin’ ny lohany izy, tamin’ny zoma alina. Nieren-doza ny zandary iray, naratra ny tanany
Nirefodrefotra ny basy tamin’ny zoma faha 7 avrily. Rotiky ny bala teo amin’ny lohany i Djaffar, ilay jiolahy raindahiny amin’ ny fakana an-keriny teto Madagasikara. Mifamahofaho ny vaovao saingy ny taitra ofisialy avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia milaza fa matin’ny namany ihany izy: “ Nokasain’ny namany efa-dahy havotana sy hampadosirina teny ampelatananan’ny mpitandro filaminana izy, nandritra ny fitondrana azy hihazo indray ny fonjaben’i Tsiafahy”.
Manoloana izany, nampiantso mpanao gazety ny avy eo amin’ny sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam-pirenena (SRC), eny Fiadanana, ny sabotsy lasa teo. Nitarika izany ny Kly Ravelomanana Tahina izay nilaza fa ho tapitra tsy ho ela ny sazin’i Djaffar. Mbola tany am-ponja, efa niketrika fakana an-keriny sahady izy sy ny namany. Fantatra mialoha ny fikasan-dratsiny, nentin’ny zandary eo anivon’ny SRC natao famotorana izy. Voalaza fa nibaradaka ity mpaka an-keriny ity, namoaka ny tsiambarantelo rehetra izay efa nomanin’izy sy ny namany.
Taorian’izay, nisy ny fitsirihana ny tranon’ny namany teny Ankadiefajoro. Hita tao ny basy mahery vaika toy ny Kalachnikov roa sy PA. Vita izay, nentina hiverina teny Tsiafahy i Djaffar.
Zandary naratra
“Tamin’ny fotoana nitondrana azy anaty fiara haverina eny am-ponja, narahin’ny jiolahy efa-dahy tamin’ny moto izy ireo. Nitifitra variraraka avy hatrany ireo jiolahy. Vokany, voan’ny bala tsinahy teo amin’ny lohany ity karana malaza ratsy ity”, hoy hatrany ny Kly Ravelomanana Tahina.
Voan’ny balan’ny jiolahy nikasa hanavotra an’i Djaffar ny zandary iray teo amin’ny familiana. Niaro tena ireo zandary namany. Nirifatra nandositra ireo jiolahy. Raikitra ny fifanenjehana saingy tsy nisy hita ireo olon-dratsy. Latsaka teny amin’izy ireo kosa ny basy iray. Tavela tao anaty haizina koa ny moto iray nentin’izy ireo. Nentina namonjy hopitaly hanavotana ny ainy ilay zandary voa.
Karohina ireo namany
« Na maty aza ny heverina ho atidoha, mitohy ny fikarohan’ny mpitandro filaminana ireo efa-dahy tafaporitsaka. Tsy ho afa-bela koa ireo mpiray tsikombakomba amin’ireo olon-dratsy », araka ny fanamafisan’ny zandary. Marihina fa efa nisy maty lavon’ny mpitandro filaminana ireo mpiara-miasa amin-dry Djaffar ny taona 2009 sy 2013 ary ny volana Aogositra 2018. Anisan’izany i Mahandry sy Lama izay vao maty tamin’ny herintaona, teny Analamahitsy, nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary. Namany tena akaiky azy, mpiara-miketrika fakana an-keriny niaraka taminy koa i Faby Mince (efa migadra ao Tsiafahy), tompon’antoka tamin’ny fanafihana hotely iray lehibe, etsy Ambodifilao.
Raha tsiahivina, anisan’ny nandravarava teratany karana maro tamin’ny alalan’ny fakana an-keriny teto an-dRenivohitra ny 2009 ry Djaffar sy ny ekipany. Takiany vola an-tapitrisany ireo lasibatra. Efa maty paika indray ity fakana an-keriny nokasain’ny ekipany atao ity saingy izao saron’ny mpitandro filaminana mialoha izao. Mampahatsiahy ny zavatra nitranga tamin’ny jolay 2012 satria tratra tao an-tranony eny Soavimbahoaka ny basy Kalachnikov fito niaraka tamin’ny bala marobe ary ireo fiara fito niampy motobe iray fampiasa rehefa manao fakana an-keriny. Voasambotra niaraka taminy tamin’io fotoana io koa ny vadiny sy teratany karana iray hafa.
Tsiferana R./J.C