AFT Andavamamba: miavaka kely ny tanjon’ny fampirantiana

Niala kely tamin’ny mahazatra ny mpikarakara ity fampirantiana ity. Na eo aza anefa izany, misy hatrany ny fampirantiana zavakanto nataon’ny mpahaikanto samihafa. Natokana ho an’ny mpianatra manokana kosa ity fampirantiana ity hampahafantarana sy hanentanana azy ireo.

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ary tsy hifarana raha tsy ny 28 avrily 2023, ny fampirantiana “La Biodiversité, c’est la vie, c’est notre vie”, karakarain’ny fikambanana Univers Vintsy, iarahany mia­sa amin’ny Alliance Française d’Antananarivo na AFT An­davamamba, izay mandray ny fampirantiana. Tanjona amin’izao hetsika izao ny fampahafantarana mahakasika ity lohahevitra ity. Atrikasa sy fampirantiana no hita mandritra ity hetsika ity. Hetsika misokatra ho an’ny rehetra.
Taorian’ny fampirantiana sary mahakasika ny fahapotehan’ny tontolo iainana niarahana tamin’i Toni Haddad. Mitohy hatrany ny fanehoana amin’ny alalan’ny kanto izany trangan-javatra izany. Fampa­hafantarana sy fanabeazana ny rehetra, indrindra ny mpianatra, mahakasika ny “Biodi­versité” no tena votoatin’ny hetsika. Mahakasika ny akon’ny “Biodiversité” eo amin’ny fiainantsika olombelona no ho hita ao anatin’izany fampirantiana izany. Ankoatra izay, hisy ny hetsika manokana ho an’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga fototra, hatao ny 17 avrily 2023. Fampahafan­tarana ny tantaran’ny biby sy ny zavamaniry, miaraka amin’i Leo sy Popi no hatao mandritra izany. Eo ihany koa ny fampahafantarana azy ireo mahakasika ny biby sy zavamaniry mampiavaka an’i Madagasikara. Tsy diso anjara ihany koa anefa ireo mpianatra zokiny. Ny 24 avrily 2023 no hisian’ny fampahafantarana sy fitsidihana ny fampirantiana “La Biodiversité, c’est la vie, c’est notre vie”, aorian’izay hisy ihany koa ny fampisehoana ny horonantsary “Demain”, maneho ny zavatra hisy sy hiainan’ny olona raha mitohy ny fanapotehana. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, tanjona ny hampahafantarana ny mpianatra ny zava-misy. Izy ireo izay mbola tanora sy ankizy, afaka manarina ny zava-misy ankehitriny.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: