Hanatanteraka fihaonana amin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) i Nicolas Dupuis, mpanazatra. Tsiahivina fa nametra-pialana tsy hitondra ny Barea intsony izy, araka ny fanambarana nataony, ny talata 28 marsa lasa teo.
Araka ny vaovao voaray teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), hihaona amin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra, rahampitso alakamisy 13 avrily 2023, eny Isoraka, izy ireo. Hiresaka momba ilay fametraham-pialana nataon’ ity teknisiana frantsay ity tao amin’ny ekipam-pirenena Barea, ny anton’ity fihaonana ity. Marihina fa noho ny vokatra ratsy azon’ny Barea nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona, handraisana anjara amin’ny Can Côte d’Ivoire 2023, no nampiala an’i Nicolas Dupuis.
Tsiahivina fa tsy nahazo fandresena mihitsy ny ekipam-pirenena malagasy nandritra ny lalao efatra nataony. Anisan’izany ny nandavoan’i Ghana antsika, tamin’ny isa 3 no ho 0, nandritra ny lalao mandroso tany aminy. Ny nanaovantsika ady sahala tamin’i Angola, 1 no ho 1, lalao natao teto amintsika. Niampy ny faharesena indroa nisesy nanoloana an’i Centrafrique, 3 no ho 0 ny lalao mandroso teo amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny alakamisy 23 marsa lasa teo ary 2 no ho 0 ny lalao miverina tany Douala Cameroun, ny alatsinainy 27 marsa 2023.
Marihina fa tsy manana afa-tsy isa iray ny Barea hatramin’izao. Tsy manana herijika hiakarana amin’ny Can intsony, araka izany, ny ekipa malagasy satria lalao roa sisa miandry azy ireo. Eo ny lalao hihaonana amin’i Ghana, ny 12 jona ho avy izao, etsy Mahamasina sy ny fifanandrinana amin’i Angola, any aminy, ny
4 septambra ho avy izao.
Andrasana, araka izany, ny mety ho tohin’ity fihaonana ity. Tsara ny mampahatsiahy fa tokony amin’ny volana septambra vao mijanona ny fifanarahana amin’i Nicolas Dupuis. Miandry fatratra ny mpanazatra hanolo azy ny mpankafy kitra malagasy rehetra.
Fitia (Mpianatra asa)