Nanomboka omaly, teny amin’ny Sekoly ambony mikasika ny Polyteknika Vontovorona, ny «Herinandron’ ny fifandraisan-davitra», karakarain’ny Vondron’ny mpianatra amin’ny fifandraisan-davitra (GET). Anisan’ ny mpiara-miombon’antoka manohana azy ny orinasa Vondrona Axian sy ny Telma.
Maromaro ny hetsika hanamarihana izany. Nisy ny famelabelaran-kevitra, omaly maraina, nampahafantarana ny orinasa Axian sy ny Telma. Nilaza ny mpitondra tenin’ny GET, Razandrinilaina Cédric fa tombondahiny lehibe ho an’ny mpianatra ity hetsika ity. Satria ho fantatr’izy ireo bebe kokoa ny mikasika ny orinasa amin’ny alalan’ny famelabelaran-kevitra, ny tontolon’ny asa. Eo koa ny hahafahana mivelatra amin’ ny lafiny fikarohana amin’ny sehatry ny fifandraisan-davitra sy ny fivoaran’ny teknolojia sy mampiroborobo izany. «Tena ilainay tokoa izany, satria tafiditra ao anatin’ny fianaranay ny fikarohana sy ny famoronana», hoy ihany izy.
Nanohana ny mpianatra hatrany ny Telma
Nambaran-dRtoa Randriamampionona Iombonana, injeniera amin’ny fifandraisan-davitra ao amin’ny Telma, fa nanohana hatrany ny mpianatra eny Vontovorona hatramin’ izay izy ireo. Toy ny fandraisana mpiana-draharaha manomboka amin’ny kilasy taona voalohany hatramin’ny fahadimy. Amin’ity hetsika «Herinandron’ny fifandraisan-davitra» ity, misy ny fifaninanana karakarain’ny Telma, hahazoana loka maro samihafa. Iantohana koa ny fampiasana tambajotra internet mandritra ny herinandro, hisitrahan’ny mpianatra ny fikirakirana sy ny fikarohana mikasika ny tontolon’ny teknolojian’ny informatika sy ny niomerika.
Anisan’ny orinasa iraisam-pirenena matanjaka eto Madagasikara sy aty Afrika ny vondrona Axian. Sehatra dimy no sahaniny. Ny fifandraisan-davitra amin’ny alalan’ny orinasa Telma sy ny MVola, ny angovo (Jovena…), ny tontolon’ny trano fonenana, ny fitantanana sy ny famoronana orinasa, ny sehatra ara-bola sy ny banky (BNI, …)
Njaka A.