Herisetra ara-nofo : 19% amin’ireo niharan’ny fanolanana no sahy mitaraina

Mihamahazo vahana ny fanolanana eto Madagasikara satria 80% ny tranga momba izany. Vitsy amin’izy ireo no sahy mitoroka noho ireo vesatry ny kolontsaina sy ny fitotongan’ny toe-draharaha misy eto amin’ny Nosy.

Firaisana tsikombakomba avokoa ny 80% amin’ny trangana fanolanana eto Madagasikara, raha ny antontanisa navoakan’ny Unicef. 19% amin’ireo niharan’ny fanolanana ihany no sahy mitaraina eny anivon’ny tomponandraikitra. Zaza tsy ampy taona any atsimo sy avaratr’i Madagasikara ny ankamaroan’izy ireo. Miseho amin’ny alalan’ny fanambadian’ny zaza tsy ampy taona sy fivarotantena amin’ny mpizahatany izany. Fanampin’izany, ny fanolanana sy ny herisetra mianjady amin’ny ankizy, ataon’ny olona eny anivon’ny fiarahamonina eny.
Tsy maintsy saziana sy foanana avokoa ny fihetsika rehetra mamela ny fanararaotana zaza tsy ampy taona, raha ny fanazavana voaray teo anivon’ny fikambanana TAO. Nolazain’izy ireo fa tafiditra ho anisan’ny asan-jiolahy ny fanolanana satria tsy sitrapon’ilay niharam-boina. Tsy afaka ao an-tsainy sy miteraka ratram-po eo aminy ny vokatr’izany.
Fanambadiana alohan’ny 18 taona

Ankoatra izay, tafiditra ho anisan’ny firenena ahitana taha ambony mikasika ny fanambadiana alohan’ny fa­ha-18 taona i Madagasikara. Mampitombo sy manome vahana ny trangam-panolanana sy herisetra izany.

Raha ny tranga misy manerana ny Nosy, manery ny zanany hivarotena ny ray aman-dreny ankehitriny mba ho tombontsoan’izy ireo, raha ny fanazavana voaray. Nilaza izy ireo fa voararan’ny lalàna sy ny fiarahamonina ny fanaovana izany. Satria fanitsakitsahana ny zon’olombelona ny fanambadiana alohan’ny faha-18 taonany.

Tsiahivina fa mikarakara hetsika fihazakazahana am-bisikileta ny fikambanana TAO amin’ity volana avrily ity. Itambaran’ireo mpandeha an-tongotra sy mpihazakazaka ary ny mpitaingina bisikileta. Nampitondraina ny lohahevitra hoe: “Run and bike, Stop aux viols”.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: