Maty voatifitry ny dahalo nandritra ny fifandonana tao Soaserana, fokontany Tsinjorano, kaominina ambanivohitr’Ambia, distrikan’i Mahabo, ny sabotsy 9 avrily 2023 teo, ny miaramila kilasy faharoa Randriamaherisoa. Nanatanteraka hetsika “Kobay” ireo miaramila avy ao amin’ny bataillon infanterie Morondava ka nisy ny fifandonana nahery vaika tamin’ireo dahalo tompon’antoka tamin’ny fanafihana sesilany tamin’iny faritra Menabe iny. Niasa tao amin’ny Base opérationnelle avancée Ankilizato ity miaramila namoy ny ainy ity. Anisan’ireo miaramila namiratra izy teo am-panatanterahana ny asany, araka ny fanazavan’ny mpiara-miasa aminy. Efa an-dalana mihazo ny kaominina Ankilizato ny vatana mangatsiakany amin’izao fotoana izao. Na eo aza anefa izany rehetra izany, mitohy hatrany ny fanarahan-dia ataon’ireo miaramila mpampandry tany amin’iny faritra iny.
Jean Claude