Anjaran’ny mpahaikanto, indrindra ny Malagasy mpaka sary, indray no mianoka ny kanto raketin’ny tetikasa “Ho nofy ihany” an’i Mahefa Dimbiniaina. Vonona tanteraka ny mpikarakara rehetra ny amin’ny fampirantiana, izay misokatra ho an’ny rehetra anio.
Hotanterahina manomboka anio ary tsy hifarana raha tsy ny 27 mey 2023 ny fampirantiana ataon’i Mahefa Dimbiniaina, mpaka sary, mpandresin’ny fifaninanana “Prix Paritana” andiany fahenina. Eny amin’ ny Institut Français de Madagascar, IFM Analakely. “Ho nofy ihany” no lohahevitry
ny fampirantiana hataon’i Mahefa Dimbiniaina, mandritra ny iray volana sy tapany. Anisan’ny tombony azon’ny mpandresy ao anatin’ny fifaninanana “Prix Paritana” ny fahafahana manao fampirantiana eto Madagasikara sy any ivelany.
Tonga hizara ny fahaiza-manaony sy ny norantoviny i Mahefa Dimbiniaina, mpandresin’ny “Prix Paritana” andiany fahenina. “Ho nofy ihany”, io tetikasa io no nandrombahan’ity mpaka sary ity ny fifaninanana nandritra io andiany io. Io ihany koa no nandrantoany fahaizana nandritra ny fivahinianany, nandritra ny telo volana, tao amin’ny Cité Internationale des Arts ao Paris, Frantsa. Ny tetikasa “Ho nofy ihany” ihany koa no nanaovany fampirantiana tao amin’ny Fondation H tao Paris, ary izao mbola hoentiny ao amin’ny IFM Analakely izao. “Tetikasa efa nonofinofisiko efa hatamin’ny ela ny fanatanterahana ny “Ho nofy ihany”. Ny tsy fahampiana tamin’ny lafiny rehetra no tsy nahafahako nanatanteraka azy. Efa tanteraka izy izao ka izay tratry ny heriko no alefako ao”, hoy i Mahefa Dimbiniaina.
Efa ela niandrasana ny hanaovana ny fampirantiana eto Madagasikara ny Malagasy mpahaikanto, indrindra ny mpaka sary, hijery ny sanganasan’i Mahefa Dimbiniaina. “Nihoatra noho ny nantenaiko ny zavatra nomena ahy sy hitako tany amin’ny Cité Internationale des Arts. Nampitombo ny fahaizana sy fahalalana izany, ary vonona aho ny hizara izany mandritra io fampirantiana io”, hoy izy.
Lin (Mpianatra asa)