Lisitry ny mpifidy : miisa 66 313 ny anarana miverimberina

Nofaranana vonjimaika eny anivon’ny distrika, omaly, ny lisitry ny mpifidy. Araka ny fitsirihana natao, mahatratra 66 313 ny anarana miverimberina. Mbola azo atao tsara ny fanitsiana…

Miisa 10 069 136 ny olom-pirenena voasoratra amin’ny lisitry ny mpifidy, talohan’ny fa­nontana azy amin’ny fanakatonana vonjimaika eny ani­von’ny distrika, omaly. Maha­tratra 66 313 ny anarana mi­verimberina, rehefa natao ny fitsirihana tamin’ny alalan’ny rindrambaiko. Miisa 379 161 ny anaran’ny mpifidy nahi­tana tsy fahatombanana ka mbola hahitsy. Mahatratra 9 623 662 ny isan’ny mpifidy, raha ny tarehimarika farany nahavita fanadiovana. Na izany aza, efa nisy tovana lisitra mpifidy taorian’ny fanontana tamin’ny fanakatonana vonjimaika. Miandry ny fa­maranana izany ary miaraka amin’ireo mpifidy vao misoratra anarana hatramin’ny 31 mey.
“Tsy hoe anarana olona iray miverina imbetsaka ny ana­rana miverimberina, fa vokatry ny mety ho olana tamin’ ny fandraisana sy fandrake­tana tamin’ny ordinatera”, hoy ny fanazavan’ny mpam­pa­ka­te­nin’ny Ceni, Andriam­arota­fika Soava, teny Alaro­bia, omaly, momba izay famara­nana vonjimaika ny lisitry ny mpifidy izay. Misy koa ireo olona nifindra toeram-ponenana, ka nisoratra anarana indroa. Tsy hita teny anivon’ ny distrika avy hatrany izany, fa niova distrika izy tamin’ny nifindra monina. Eo koa ireo ao anatin’ny fokontany misy azy ihany, fa fotoana samy hafa nisoratany anarana, ohatra.

Entanina hatrany izay tsy mbola nisoratra anarana

Misy fahadisoana tamin’ ny famenoana takelaka fani­sana mpifidy kosa ny tsy fahatombonana: misy tsy mazava, ohatra, ny mombamomba ny mpifidy, na tsy feno tanteraka ny laharan’ny karapanondro, na misy banga ny daty nahaterahana… Mety tsy feno ha­trany am-boalohany, ohatra, ny momba ny mpifidy, fa nentim-pahatsorana fotsiny izay nampiditra azy ao anaty ordinatera. Mila hanaovana fanitsiana izay anarana nahitana tsy fahatomombanana izay: averina any anivon’ny fokontany, sao fahadisoan’ny Vao­miera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE).
Misy ny teny mita nataon’ ny Ceni ny amin’ireo mpifidy tafiditra ao amin’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Ral), nefa tsy tafiditra amin’izao fanavaozana tanteraka izao: entanina izy ireo mba hisoratra anarana eny anivon’ ny fokontany. Hatramin’ny 31 mey no hahazoana manao izany, ary 20 andro aorian’ny fahatongavan’ny lisitry ny mpifidy eny anivon’ny fokontany no hahazoana manao fanamarihana sy fanitsiana.

R. Nd.

Partager sur: