Nandritra ny fetin’ny Paska… : jiolahy 21 tratran’ny polisy, roa maty voatifitra

Nanao izay ho afany tanteraka ny polisy nanao ny fandaminana nandritra ny fetin’ny Paka teo. Na teo aza anefa izany, jiolahy 21 tratran’ny polisy, roa maty voatifitra…

Raha ny antontanisa nomen’ny eo anivon’ny polisim-pirenena, nandritra ny alahady sy ny alatsinainy teo, ho an’ny faritra Analamanga manokana, olona 59 no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny Com­missariat Central (Tanà, Ava­radrano, Atsimondrano). Fan­dikan-dalàna 34 no teny anivon’ny CC Tanà. Jiolahy roa indray lavon’ny balan’ny polisy, teny 67 ha, raha nikasa hanendaka ireo olona avy nitsangantsangana. Olona sivy tratra tamina halatra madinika sy fanendahana. Trangana lo­zam-pifamoivoizana 12 no nitranga nandritra ny alatsinain’ny Paska ka olona fito naratra tamin’izany raha dimy kosa nahitana fahasimbana fiara. Olona roa mamo teo am-pamiliana fiara ka niteraka fifandonana teo amin’ny fiara samy fiara izany, araka ny fanazavan’ny polisy hatrany.

Ho an’ny CC Atsimon­dra­no sy Avaradrano, olona 14 voasambotra ka iray tratra nanao halatra miharo herisetra, enina nanao halatra tsotra, telo tratra nitondra sy nifoka zava-mahadomelina, roa na­naovana fanadihadiana fo­totra ary ny roa mamo an-dalambe. Raha atotaly ny isa rehetra: olona efatra tratra nanendaka ka ny roa maty voatifitry ny SAG. Roa hafa indray tratra tamina vakitrano. Jiolahy 21 sarona tamina resaka halatra sy sinto-mahery ary fanendahana, efatra saika hangalatra. Olona enina tratra nitondra zava-mahadomelina. Ho an’ny lozam-pifamoivoizana, nahitana tranga 16 ka 10 naharatrana olona raha enina nahasimban-javatra. Olona 17 natao fanadihadiana satria tsy nitondra kara-panondro.

Jean Claude

Partager sur: