Nampahonena ny nanjo ireto mpianaka. Niara-maty an-drano, rehefa namonjy fodiana. Avy namangy fianakaviana tamin’ny andro fety izy ireo.
Niara-maty an-drano ny reniny sy ny zanany vavy, afakomaly. Tao amin’ny renirano Antarandrandrosiana, anatin’ny kaominina Itremo, distrikan’Ambatofinadrahana no nisehoan’ izany. Niala tao an-tranony tamin’ny 6 avrily, hamangy ny ray aman-dreniny amin’ny tanàna iray izy ireo. Niampita ny reniranon’i Masoandro ka tonga soa aman-tsara tany amin’ny fianakaviana notsidihina. Nijanona tany izy ireo nandritra ny fety. Nikasa hamonjy fodiana any Itremo, ny 8 avrily. Toy ny tamin’ny dia mandroso, tsy maintsy niampita ny rano rehefa niverina. Indrisy anefa, vatana mangatsiaka sisa hitan’ny mponina. Noheverina fa maty an-drano izy ireo.
Tetsy ankilany, sasa-niandry ireto vady aman-janany ny raim-pianakaviana izay nijanona niambina trano. Tsy tonga an-trano tamin’ny andro voatondro fa hiverenany izy mianaka. Nitady azy ireo, araka izany, ny mponina manodidina sy ny fianakaviana. Ny andron’ny 9 avrily, naharay fampandrenesana ny zandary miasa ao an-toerana. Misy razana roa, hitan’ny fokonolona natsingevan’ny renirano ao Antarandrandrosiana.
Nijery ifotony ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. Natao ny fizahana ny vatana mangatsiakan’izy mianaka fa tsy nisy ratra. Taorian’izay, voamarina fa maty an-drano izy ireo. Voaporofo ihany koa fa vady aman-janak’ilay raim-pianakaviana nanao fikarohana. Araka ny fanadihadian’ ny mpitandro filaminana, lasan’ ny rano nandritra ny fiampitana izy mianaka ireto.
Marihina fa roa ny zanak’ izy mivady ka ity niara-namoy ny ainy tamin’ny reniny ity ny iray. Natolotra ny fianakaviany ny razana taorian’ny fizahana.
Tsiferana R.