Tao anatin’ny telo volana : nahery vaika ny fifandonana, 12 ireo jiolahy lavo tao Toamasina

Tsy ankitsitsy! 12 sahady ireo jiolahy matin’ny mpitandro filaminana tamin’ny raharaha mafana toy ny fanafihana tao Toamasina, tao anatin’ny telo volana.
Tao Toamasina renivohitra avokoa ny 11 tamin’ireo olon-dratsy maty ireo. Lavo tany Mahanoro ny roa hafa. Naha­trarana basy poleta 2 niaraka tamin’izy ireo. Ho an’ireo olona voatery nosamborina, tafakatra 703 ireo efa notanana natao fanadihadiana. Ireo ny tatitra nomen’ny eo anivon’ny Commissariat central, notarihin’ny kaomisera Rakotovao Jean Christian, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly. Nohamafisin’ ity manamboninahitra ity fa olona 238 naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy natolotra ny fampanoavana. Nanao izay ho afany ny polisy nandritra ny fankalazana ny fetin’ ny Paka sy ny alatsinain’ny Paka teo. Rakotra polisy ireo kihon-dalana rehetra sy teny amin’ireo toerana be olona nifamezivezy. Misy ny fitsirihana ny tahan’ny alikaola ho an’ireo mpitondra moto sy fiarakodia. Na teo aza anefa izany, ny fety tsy ialana loza ka misy ireo lozam-pifamoivoizana. Ho an’ny tao Toama­sina manokana, nahatratra 73 ireo trangana lozam-pifamoivoizana ka ny efatra tamin’ ireo namoizana ain’olona.

Nahatratra 23 ireo ankizy very nandritra ny fety…
Vita ihany ny fety ary samy nanao izay nahafinaritra azy ny isan-tokantrano. “Tsy nisy afa-tsy sivy ireo olona notazonina tao amin’ny violon noho ny fandikan-dalàna nataony”, araka ny fanazavan’ny kaomisera Rakotovao Jean Chris­tian. Nahatratra 23 ireo ankizy very tsy hitan’ny ray aman-dreniny ka tsy maintsy noraisin’ny polisy misahana ny an­kizy sy ny vehivavy ary ny ady amin’ny herisetra. Hatra­min’ ny omaly maraina, telo amin’ ireo 23 no mbola tafaverina any amin’ny ray aman-dreniny, raha ny fampitam-baovao nomen’ny polisy ha­trany.

Nilamina ny tao amin’ny Hopitalibe…
Raha ny tatitra voaray avy eo anivon’ny sampana vonjy taitran’ny Hopitalibe Toama­sina kosa, somary nilamin­damina ihany raha oharina tamin’ny fety teo aloha. Nan­dritra ny fankalazana ny fety, nahatratra 139 ireo nandalo fizaham-pahasalamana tao amin’ny Hopitalibe ka ny 73 no naiditra hopitaly, iray namoy ny ainy. Sivy ireo ratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana raha valo kosa ireo naratra voatsatok’antsy.

Sajo/Jean Claude

Partager sur: