Anisan’ny mampatanjaka ny kolontsaina vahiny ny fananana ireo nialoha lalana. Tsy very ny napetrak’izy ireny fa voatahiry. Eo amin’ny tontolon’ny hira, ohatra, mbola afaka tendrena sy hirain’ny taranaka aty aoriana ny « Aleluya » sanganasan’i Haedel efa voaforona anjato taona. Ny an’ny Malagasy kosa, izay kely fantatra sy voatahiry, ovaina. Na ny tsy azo ovaina tahaka ny hiram-pirenena aza, ovaina. Very fitaratra ny kanto malagasy. Tsy ny hira ihany fa ny zavakanto amin’ny ankapobeny mihitsy.
Antony iray manimba ny fototry ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ny tsy fijerena ny tany aloha. Ireo asesiky ny vanim-potoana ankehitriny ihany no mahamaika, hany ka mitsingevana ny ankamaroan’ny kanto mipoitra na voaforona amin’izao. Manidina ambony fa tsy maharitra. Na, lasa manara-drenirano be fahatany ka ny fisehoana ivelany no mibahan-toerana.
Anisan’ny fositra goavana mahatonga io tranga io ny tsy fahaiza-mijery na ny tsy fihainoana ny teo aloha !
HaRy Razafindrakoto