Maty voatifitry ny zandary i Bota Gène, dahalo raindahiny amin’ny fakana an-keriny tao Andriamena, anatin’ny faritra Betsiboka, ny 9 avrily teo. Nandray anjara tamina tranga fakana an-keriny tsy latsaky ny telo ity dahalo ity. Anisan’izany ny tranga tao Manakana Vohimbohitra, ny septambra 2022. Naka ireo olona telo mianaka tamin’io fotoana io izy. Namoy ny ainy tamin’izany ny lefitry ny ben’ny Tanànan’i Manakana Vohibohitra. Nikarohana azy koa, ny tranga niseho tao Ambaiboho-Morarano Chroma, ny faran’ny volana marsa teo. Tanan-kavanan’ilay dahalo raindahiny antsoina hoe Parfait koa i Bota. Natao hazalambo izy mirahalahy. Tsy mbola hita popoka io Parfait io raha toa ka izao lavon’ny balan’ny zandary izao i Bota.
Tsiferana R.