Anisan’ny nisitraka ny tetikasa Asa Avotra Mirindra notohan’ny Tahirimbola ho an’ny fampandrosoana, Fid, Rtoa Razafindravao Marie Augustine. Monina any Ankianjabe, any Tranovondrona, distrikan’Isandra. Maty vady izy, manan-janaka dimy. Nambarany fa tsy nahatsapa ny lanja ara-toekarena mikasika ny asa tanana mandrary izy talohan’ny nahazoany fanampiana avy amin’ny tetikasa Asa Avotra Mirindra. Noraisiny ho toy ny fialamboly, manala andro ny fandrariana. Niova izany taorian’ny nahazoany fiofanana, nahaizany nanao ny taozavatra ho azo hatao asa mampidi-bola, azo hivelomana.
Tsy mihetsika eo an-toerana
Ankehitriny, lasa mitarika ny vehivavy mpandrary ao an-tanànany Rtoa Augustine. Nambarany, fa « manodidina ny 20 izahay no mivondrona anaty fikambanana, miara-miasa. Mifanaraka amina mpandraharaha iray any Fianarantsoa izahay, ka mamatsy azy harona miisa 200 isan-kerinandro. Tsy mihetsika eto an-toerana izahay, fa ilay mpandraharaha ihany no maka ny entana aty an-tanàna ». Izany hoe, tsy lany fotoana amin’ny fivezivezena mitety tsena intsony izy ireo, ka afaka mamokatra mampitombo ny vokatra.
Maniry hanitatra ny seha-pihariany i Augustine sy ny namany, ka mieritreritra ny hamatsy tsena maromaro eto an-toerana. « Mila miezaka izahay mba hahafa-po ny mpanjifanay ny zava-bitanay. Tanjonay ny hahita mpanjifa eto Madagasikara sy any ivelany », hoy ihany i Augustine.
Njaka A.