Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, teny amin’ny Kianja Betongolo, ny fotoam-pitsarana miaramila ho an’ny taona 2023, tanterahin’ny Fitaleavan’ny fanompoam-pirenena sy ny fiandry eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Nanokatra izany ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Ramasy Razafindratovo Heritiana niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy. Nankasitraka ny fahatongavan’ireo tanora maro teny an-toerana izy, izay mitory ny fitiavan-tanindrazana amin’ny famitana ny adidy amin’ny firenena. Araka ny lalàna, manana adidy hiatrika ny fitsarana miaramila ny olom-pirenena rehetra eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Voakasik’izany ny zatovolahy sy ny zatovovavy 19 taona hatramin’ny 31 taona. Ho an’ity taona 2023 ity, ireo teraka teo anelanelan’ny 1 janoary 1992 ka hatramin’ny 31 desambra 2004 no afaka manatanteraka izany. Nohamafisin’ireo tompon’andraikitra fa tsy anavahana saranga izy ity fa afaka manao izany avokoa ny olom-pirenena rehetra izay mahafeno fepetra. Anisan’izany ireo olona manana kilema, mitaiza kely, mitondra vohoka izay maro no tonga teny an-toerana. Manomboka amin’ny 6 ora sy 30 mn maraina hatramin’ny 3 ora hariva ny fitsarana miaramila, ny alatsinainy hatramin’ny zoma. Marihina fa haharitra hatramin’ ny 30 avrily ny fitsaranamiaramila ho an’Antananarivo. Aorian’izay no miantomboka ny any amin’ny faritra hafa izay hifarana ny 30 jona 2023.
Jean Claude