BNI : tohanana ny mpandraharaha madinika

Mpiara-miombon’antoka tamin’ny hetsika fihaonambem-paritry ny fandraharahana, na BFR (Business Forum Régionaux) ho an’ny faritra Alaotra Mangoro, Atsinanana ary Analanjirofo ny banky BNI. Nikarakara azy ny EBD M, izay natao tany Toama­si­na, ny herinandro lasa teo.
Nandray anjara tamin’ny famelabelaran-kevitra ny ban­ky BNI, ka nitondra ny teny Rtoa Rakotovao Hanta, talen’ny vovonana orinasa madinika sy salantsalany PME. Lohahevitra novelabelariny ny hoe « famatsiambola ny rohim-pihariana, fanoitra mi­tondra fampandrosoana ny sehatry ny fambolena ». Ta­fiditra ao anatin’ny loabary an-dasy natokana ho an’ny tetikasa mikasika ny vokatra indostrialy ho an’ny fambolena izany. Eo koa, ny tantsoroka ara-teknika sy fanohanana ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.

Masoivoho 15
Anisan’ny anehoan’ny BNI izay fanohanany ny fandraharahana amin’ny rohim-pihariana amin’ny fambolena izay ny fisian’ireo masoivohony miisa 15 any amin’ireo faritra telo ireo. Misy ny tolotra vaovao omena ny mpanjifa, misy ny fitsinjovana ma­nokana ny mpandraharaha ma­dinika sy salantsalany (PME) sy ny orinasa tena madinika (TPME).
Eo koa ny tolotra KRED, entina manofana ny mpandraharaha. Manampy izany ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny fandaharanasa Fihariana, sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad), sns.

Njaka A.

Partager sur: