Maty voatifitra ny miaramila iray, voalaza fa mpamatsy basy sy ny jiolahy telo saika hanafika mpandraharaha, omaly. Tratran’ny polisy mpitsongo-dia izy ireo. Raikitra ny fifampitifirana.
Maty voatifitry ny polisy ny Adjidà am-perinasa iray, miasa amin’ny vondron-tafiky ny Tafondro mavesatra na ny R3A, eny Ambalamanasa, Toamasina, omaly. Voalaza fa mpiray tendro amin’ny jiolahy mahery vaika ao an-toerana izy. Nisy jiolahy telo hafa ihany koa niara-lavo taminy, taorian’ny fitsongoana dia nataon’ny polisy azy ireo, nanomboka ny volana oktobra 2022.
Mbola nahatrarana basy Makarov ny iray tamin’ny olon-dratsy voatifitra. Nambaran’ny polisy nandritra ny fanadihadiana fa nikasa hanafika mpandraharaha iray teny Anjoma izy ireo. Rava mialohan’ny fotoana ka nandamoaka izany. “Raha ny zava-nisy dia tombanana hanome ny basy hanaovana ny fanafihana ilay miaramila, tamin’ny fotoana nahatongavan’ny polisy. Nifanao fotoana teo Ambolomadinika ny samy olon-dratsy”, hoy ny tomponandraikitry ny filaminana nanontaniana. “Tsy maintsy nanaovana fanatrarana ambodiomby ny olon-dratsy satria efa fantatra mialoha ny fisiana miaramila anatin’io tambajotran-jiolahy io. Indrisy anefa tsy azo sambo-belona ilay miaramila fa nisy ny fifampitifirana ka maty ihany koa izy”, hoy ny nambaran’ny kaomisera Faliarivo Jules.
Basim-panjakana Makarov, miisa roa miampy bala 9 mm no nanoheran’ny jiolahy ireto polisy namita ny hetsika. Taorian’ny fifanenjehana sy ny fifampitifirana, olon-dratsy efa-dahy, niaraka maty.
Vao nahavita sazy teny Tsiafahy
Anisan’ireo jiolahy lavo niaraka tamin’ity Adjidà ity i Tsong. Vao nahavita ny saziny teny Tsiafahy, ny volana marsa teo. Efa narahi-maso akaiky izy, noho izy, efa fanta-daza amin’ny asa ratsiny. Mikasika ny tranga omaly, voalazan’ny polisy fa nampiantrano ireo jiolahy namany tao Ambolomadinika izy. Toerana namolavolan’ny andia-jiolahy ny drafitra sy ny paikady hanatanterahina ny fanafihana. Tsy nampoizin’ity farany, nanao andrimaso azy miafina ny polisin’ny FIP. Niandry ny fotoana nahafahana niditra an-tsehatra. Nisy ny lamina tsara petraka, noraisim-potsiny niaraka tamin’ireo jiolahy namany i Tsong. Izay nanohitra ny polisy nanao ny fisamborana azy ireo, omaly.
Jiolahy 16 lavo
Tao anatin’ny telo volana. 16 ny jiolahy lavon’ny polisy tao Toamasina. Ny talata 11 aprily teo, nanamafy ny talem-paritry ny filaminana anatiny ao an-toerana, Kaomisera Rakotovao Jean Christian fa 12 no lavo. Niampy azy efa-dahy omaly, tafakatra 16 ny antontanisa. Ny FIP avokoa no nahatratra ny 15 tamin’izy ireo. Naverimberin’ ny mpitandro filaminana ao an-toerana fa tsy mitsitsy ny mpanakorontana sy ny tompon’antoka amin’ny asan-jiolahy izy ireo.
Sajo sy Tsiferana R.